Politique

FIAROVANA NY HAREM-BAKOKA


  • Zoma 19 Jona 2015

Nahazo fanampiana avy amin’ny firenena Japoney i Madagasikara


 

 

Ho fiarovana ireo harem-bakoka eto amintsika, dia nahazo famatsiam-bola mitentina 1 miliara sy 488 tapitrisa Ar avy tamin’ny firenena  Japoney isika, fanampiana efa nangatahina tamin’ny herintaona, hoy ny minisitry ny kolontsaina sy ny asa tanana, Brigitte Rasamoely, omaly. Ny 800 tapitrisa Ar amin’io fanampiana no efa tonga ary nanaovana sonia tetsy amin’ny biraon’ny minisiteran’ny asa tanana omaly, natrehin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny eto amin’ny firenena. Ny UNESCO no hitantana izany entina hanatanterahana asa maro toy ny fanarenana ireo harem-bakoka sisa tavela ao amin’ny Rovan’i Manjakamiadana izay mbola miisa 180, ny fananganana fotodrafitrasa iray hahafahana manambatra azy ireny. Notsindrian’ny minisitra fa hisy fanafarana manampahaizana manokana ho avy mihitsy avy any ivelany hanara-maso izany satria ny ilana olona mahay ny fikajiana ny harem-bakoka.


Pati

Sary  Njaka

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT