Vaky bantsilana omaly fa dia tsy mahaloa izay anjara vola tokony haloany ny fanjakana amin’ireo tetikasa vatsian’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) vola.
Tsy te hanebaka ny solontenan’ity banky ity eto Madagasikara, Abdelkerim Bendjebbour, dia mody nilaza fa tsy hoe : tena tsy mandoa mihitsy ny Fanjakana fa mandoa ihany fa tara, fahatarana izay misy fiantraikany amin’ny fitantanam-bolan’ireo mpiara-miombon’antoka nanatanteraka tetikasa. Hisy fiantraikany amin’ny famoaham-bola manaraka trosain’i Madagasikara amin’ny BAD io tsy fahaloavan’ny fanjakana ny trosany io. Milaza ny hanitsy izany moa ny minisitry ny fitantanam-bola Rakotomanana Gervais.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.