Niteraka resabe sy fanehoan-kevitra maro ny fiara tsara tarehy nitondra ny filoha vaovao Andry Rajoelina nandritra ny fianianana tetsy Mahamasina ny sabotsy 19 desambra lasa teo.
Fiara vita Amerikanina marika Cadillac Escalade V8, 6.2 litres, 426 CV amin’ilay hiaka farany, raha ny fahitana ny endriny ivelany. Manodidina ny 100 000Euros (400 000 000Ar) ny vidiny iaingana amin’izy io. Hafa mihitsy anefa ny mbola fikirakirana azy ireny ho tsy laitram-bala, izay 500 000 hatramin’ny 1 500 000 Euros. Raha raisina ho 1 000 000 Euros, ohatra, ny manao an’izay dia mety mahatratra 4,4 miliara ariary ny vidin’ny fiara miampy azy io. Sokajian’ny gazetiboky Forbes ho anisan’ireo fiara raitra sy lafo vidy indrindra eto ambonin’ny tany ny Cadillac. Filoham-pirenena eto ambonin’ny tany anisan’ny mampiasa azy ny filoha Amerikanina Donald Trump. Ny fiarany manokana izay nampanamboarina ny orinasa Amerikanina General Motors mamokatra io marika io izao, dia mahatratra 14 tapitrisa Euros ny vola naompana tamin’ny fikarohana sy fanamboarana ny fiarany tsy laitram-bala milanja 8 taonina, ary nomena ny anaram-bositra “The beast” na “La bête”. Tsy fitia te hanakiana fa tsetsatsetsa tsy aritra ny hametrahana fanontaniana. Te hitovy laharana amin’ny filohan’ity firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany ity ve ny filohan’i Madagasikara firenena faha-4 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ? Ny vahoaka sahirana saingy ny filohany kosa tena mampiseho fa manam-bola be. Tsy mbola teo amin’ny fitondrana i Andry Rajoelina no novidiana io fiara io. Fananany manokana izany iny sa an’ny fanjakana ? Oviana no novidiana ? Ahoana no nividianana azy ary avy aiza ny vola ? Raha azy manokana, nahoana no nosalorana ny mari-pamantaran’ny Repoblika Malagasy ? Hita taratra ny fampifangaroana ny fitantanana ny haren’ny tena manokana sy ny raharaham-panjakana, raha ny volany manokana no nividianana an’iny. Raha sahy milaza io filoha vaovao io fa azy tamin'ny volany manokana no nahazoany azy, dia rariny loatra ny SAMIFIN raha manadihady ny niavian'ny vola, ny fotoana nanaovana ny kaomandy sy ny olona mety ho nanolotra raha izany no fanazavana ho azo, hoy ny olom-pirenena. Raha niala avy tany Etazonia na firenen-kafa tany Eoropa, dia am-bolana vao tonga aty raha mandeha sambo fa efa nomanina tao. Vao miha mampitombo ny ahiahy ny fahafantarana araka ny angom-baovao natao fa efa 3 volana izay no tonga teto Madagasikara io fiara io, izany hoe efa nohafarana ny fiara na dia tsy natao akory aza ny fifidianana fihodinana faharoa ny 19 desambra 2018. Fa efa nahafantatra mialoha ny voka-pifidianana ary ve izany i Andry Rajoelina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.