Politique

Fianianana Sambany no nisy Matso


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Amin`ny maha filoha faratampony amin`ny foloalindahy azy dia nisafo ny andian-tafika ny filoham-pirenena vaovao ary nisy taorian`izay ny fanomezam-boninahitra ny fanevam-pirenena.

 

 Nirosoana indray ny lanonana ara-miaramila izay nomarihana tamin`ny alalan`ny Matso izay nifandimbiasan`ny zandariamariam-pirenena sy ny tafika Malagasy ary ireo vondron-tafika an-dranomasina. Nandritra ny kabary voalohany nataon`ny filoham-pirenena dia nilaza izy fa ankoatra ny fanampiana isa eo amin`ny mpitandro ny filaminana dia ho hentitra amin`ny paikady iadiana amin`ny tsy fandriampahalemana. Araka izany, naseho nandritra ny matso ireo fitaovam-piadiana vaovao. Nahasarika ny maso ny tafika manao sakelika vy very ny aina miaraka amin`ireo fitaovana toy ny “camouflage”, fitaovana arifomba izay mipetraka eo amin`ny lohan`izy ireo… Nampiranty ireo fiarabe tsy mataho-dalana no tsy laitram-bala marika Toyota ny zandarimariam-pirenena. Ireo fiara 4x4 ireo dia fampiasa any amin`ny tany miady ary ny miaramilan`ny Firenena Mikambana (casques bleus) no mampiasa azy ireo. Noho izany, hita ny fahombizan`izy ireo amin`ny asa. Marihana ny G-SIS (groupe de sécurité d`intervention de la gendarmerie nationale) dia nisitraka fiara miisa roa (02) ka azo atao tsara no miaro ny tafika. Tsara ihany koa no manamarika fa sambany no nisy matso tamina lanonam-pitsarana nanaovan`ny filoha ny fianianany toy izao.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT