Politique

Fianianan`ny filoham-pirenena Haroso amin`ny 19 janoary ho avy izao


  • Zoma 11 Janoary 2019

Fantatra izao fa ny 19 janoary ho avy izao no hanao fianianany ny filoham-pirenena vaovao.

 Ao anatin`ny maha ara-dalàna an`i Madagasikara no hanaovana ny fifamindram-pahefana eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina sy ny vaovao, Andry Rajoelina, hoy i Rivo Rakotovao. Nohamafisiny fa zava-dehibe io andro io satria hisy ny fifamindram-pahefana hezahiny hotanterahina.  Mahakasika ny fandraisana anjaran`ny antoko HVM amin`izay governemanta hijoro dia nilaza i Rivo Rakotovao fa ny filoham-pirenena vaovao no mijery izay antoko hiara-kiasa aminy. Faly kosa izy nahita ireo mpifanandrina farany nifandray tanana sy nifampiarahaba ary misy no tsy mahatsapa ny halehiben`izany. Ny 19 janoary no hanao ny fianianany ampahibemaso eny amin`ny Kianjaben`i Mahamasina Rajoelina. Raha fehezina, haroso ny fe-potoana hiasany ka amin`ny 19 janoary 2024 no hifarana. Nahoana no maika fa tsy miandry ny 25 janoary araka ny voalazan`ny lalàmpanorenana ? Sa mampahatsiahy ny “Alatsinainy mainty” na ny 26 janoary 2009, vaninandro manan-tantara teo amin`ny raharaham-pirenena, indrindra ho an`ny “revolisiona volomboasary”? Ho feno folo taona amin`ity taona ity tokoa mantsy izy io izay nampirongatra ny fandrobana sy fandorana orinasa sy tranombarotra faobe ary saika manerana an`i Madagasikara.

Ny fianianana dia manamarika ny fandraisan`ny filoha vaovao amin`ny fomba ofisialy ny andraikitra amin`ny maha filoha voafidim-bahoaka azy ary amin`io fotoana io ihany koa no hanaovany fanamby amin` ny hanajany ny lalàmpanorenana mandritra ny lanonam-pitsaràna hotarihan`ny Fitsarana avo. Aorian`izay, hifampizara nofon-kena mitam-pihavanana eny amin` ny lapam-panjakana eny Iavoloha amin`ireo vahiny hasainy ny filohan`ny Repoblika mivady. Ireo solontenan`ireo firenena vahiny (corps diplomatique),  ny tafika Malagasy, ny rafi-pitsarana harahin`ny solontenam-panjakana rehetra, ny FFKM, ny vondron-kery ary ny vahoaka Malagasy no afaka manatrika ny fianianana.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT