Amin'ny fomba repoblikanina no hanatontosana ny fianianana izay hatao ny 19 janoary ho avy izao. Tsy hisy baiboly na boky inona na boky inona fa dia hianiana eo fotsiny ny filoha vaovao, raha araka ny loharanom-baovao mivoaka.
Voalohany eto amin’ny tantaram-pirenena ny fianianana tsy mampiasa baiboly izany. Tsy maintsy hieritreritra ny olona ny amin’ny tsy mampihorina ara-pivavahana ity fitondrana vaovao ity. Hafa raha samy hafa ilay fianianana izay tsy fantatra mazava ny antony. Fivoizana ny fisarahan’ny finoana sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana na ny “laïcité de l'État » ve ? Sa mifono zavatra hafa. Maro no mametra-panontaniana amin’ny mety ho fisiana rafitra mametraka sakana amin’ny fampifandraisana ny lanonana sy ny fianianana ary ny fahefana azo sy ny fitantanana ny firenena tsy hisy fitakosonana na rohy amin’ny finoana kristianina. Raha handray ohatra amin’ny fombana firenen-dehibe roa isika, dia ny an’ny Frantsay aloha tsy miraharaha firy an’izany amin’ny fianianana tahaka izao. Ny Amerikanina kosa dia manao ho zava-dehibe ny fianianana amin’ny baiboly, ary manan-danja ho azy ireo sy hireharehany fatratra ny hoe: “« God Bless the United States of America » na mitahy an’i Etazonia Andriamanitra. Tsy teren’ny lalàmpanorenana isika hianiana amin’ny baiboly, saingy izay no natao teto hatrizay. Marihina sy tsiahivina fotsiny fa tamin’ny taona 2009 nakana fahefana amboletra, dia nisy ny fitondrana mpiandry niaraka tamin’ny baiboly teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra. Tamin’ny fampielezan-kevitry ny kandida Rajoelina, izay efa nambaran’ny HCC fa lany, dia andian-tenin-tsoratra masina nalaina tao amin’ny baiboly kristianina no nampiasaina nambabona ny olona. Miteraka adihevitra lehibe kosa amin’izao ny fisafidianan’ny mpitondra vaovao hiala amin’izany resaka baiboly izany na dia malalaka tokoa aza izy amin’ny safidiny. Ho avy eny an-toerana ve ny avy amin’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) ? Miandry izay hiseho ny rehetra. Araka ny andininy faha-48 amin’ny Lalàmpanorenana dia hifanaovan’ny Filoha teo aloha sy ny vao voafidy ny famindram-pahefana ofisialy, ary atrehin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana, raha ny didin’ny HCC.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.