Raha araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-48 mikasika ny fandraisam-pahefan’ny filoham-pirenena vaovao ao amin’ny lalàmpanorenana Malagasy dia manao fianianana eo anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny firenena ary ny vahoaka ny filoham-pirenena vaovao mialoha ny tena handraisany ny fahefany.
Ny tsy fisiana fotoam-pivavahana mandritry ny lanonana eny Mahamasina amin’ny 19 janoary izao dia mety azo hiadian-kevitra ihany fa ilay hoe tsy mampiasa baiboly no tena mahalasa saina ny maro. Matetika niresaka velirano moa ity filoha vaovao ity, izay azo lazaina ho karazam-pianianana amin’ny fomba Malagasy raha hazavaina tsotsotra. Rehefa manao velirano anefa dia tokony hisy rano hovelesina eo anoloan’ilay hanatontosa azy. Misy heviny ara-tantara io, indrindra amin’ny resaka kolontsaina sy fomba dia midika zava-dehibe izay nirian’ny Ntaolo fa hiantraika aman’ain’izay tsy mahatanteraka azy. Raha ny lovantsofina dia saika tanteraka hatrany ny fanirian’ny Ntaolon-drazantsika mikasika izay resaka velirano izay. Fady ny manao velirano amin’ny tanana an-kavia fa na amin’ny tanana an-kavanana na izy roa miaraka. Ilay rano izay tandindon’ny aina no naka toeran’ny baiboly tamin’izany andro, raha ny fanazavan’ireo manampahaizana. Raha ny lalàmpanorenana anefa dia tsy ho velirano ara-bakiteny mihitsy koa no hitranga ampahibemaso eny Mahamasina ny sabotsy izao. Voalaza ho efa nanao velirano tamin’ny tanany an-kavia tany amin’ny toerana iray moa ity filoha vaovao ity ankoatr’ireo velirano nataony am-bava fotsiny maro efa vitany. Hianiana amin’iza sa hianiana amin’ny inona marina ity filoha vaovao ity ? Inona na iza no hery tsy hita maso hanaovany fianianana ? Fa maninona no tamin’ity indray mitoraka ity vao misy fianianana lazaina fa repoblikanina toy izao ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.