Nanamora ny hosoka tamin’ny fifidianana ny Vaomieram-pirenena mikarakara ny fifidianana (CENI), ary nanadio izany no azo handikana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), raha dinihina tamin’ny valim-pifidianana farany teo.
Ny fahendren’ny kandida Marc Ravalomanana nanaiky nilefitra nanana ny rariny no nampilamina ny firenena, fa raha ny fahatsapan’ny olom-pirenena sy ny fahitany ny hosoka mety efa nikorontana i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nolavina ankitsirano ireo fitoriana rehetra na efa hita nibaribary aza ny karazan-javatra feno hosoka sy fanovana ny safidim-bahoaka. Tsy nivaona tamin’ny vokatra navoakan’ny CENI ny an’ny HCC tamin’ny fifidianana filoha. Ny lesona azo tsoahina dia toa hadalana ny an’izay kandida tsy nangalatra sy nanao hosoka fa na inona na inona fitoriana eo dia toa efa mazava ny ho valiny. Efa hita izao ve fa nihoatra ny 100% ny taham-pandraisana, mihoatra ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ny isan’ny vato, izany hoe: nisy vato marobe nasisika tao anaty birao fandatsaham-bato dia mbola madio ihany ary tsy mitombina ny fitoriana ? Mbola mendrika homena fitokisana hisahana ny fifidianana ho avy ve ny CENI sy ny HCC ankehitriny ? Tsy efa midika ve izao fa hadalan’izay tsy te hanao hosoka sy hangala-bato amin’ny fifidianana fa malalaka ny fomba rehetra hahafaha-mibata fandresena ? Fampianaran-dratsy ireny ka tsy atao mahagaga raha samy hanao izay saim-pantany ny mpanao hosoka satria ho zary fiarovan-tena ny fampahatsiahivana ny zava-niseho tamin’ny fifidianana teo. Maro amin’ny olom-pirenena no kivy amin’izao ary efa misy ny mandrovitra kara-pifidianana satria tsy ilaina, hoy izy ireo ny fifidianana raha ho tahaka izao foana. Tsy manana fitokisana ny hisian’ny fifidianana madio intsony ka asa amin’ny fomba ahoana no hanarenana izany?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.