Politique

Fianarantsoa Hiala ny Ben’ny tanŕna, fa lasa “Inspecteur d’État»?


  • Talata 13 Oktobra 2015

Saro-piterahana ny valin’ny fifaninanana handraisana mpiasam-panjakana ambony “Inspecteur d’Etat”. Efa in-droa natao ny fifaninanana tamin’ity taona ity saingy tsy mbola nisy valiny, ka maha be resaka ankehitriny.

Notanterahina ny 7, 8, 9, 10 aprily 2015 ny andiany voalohany. 30 no nambara fa horaisina tamin’izay, saingy nandamoka tsy nisy afaka na iray aza. Tsy nisy nahafeno fepetra daholo ireo mpiadina 262 ? Naverina tamin’ny 22, 23, 24 ary 25 septambra 2015 indray ny fifaninanana. Nitombo an-toerana ho 32 indray ireo horaisina. Eo ampiandrasana ny vokatra ofisialy ireo mpiadina amin’izao.

Mandritra izany anefa dia betsaka ny resaka mandeha mahakasika io fifaninanana handraisana “Inspecteurs d’État” miisa 32 io, fifaninanana izay ataon’ny maro andrimaso tokoa satria efa tamin’ny 2001, izany hoe 14 taona lasa izay, no nisy farany. Mahoraka sahady izao ny fisian’ny akamakama sy ny manao lava tanana amin’ny kolikoly mba hahazoana toerana. Raha 32 no horaisina, dia misy anaran’olona miisa 19 efa mandehandeha any fa tsy maintsy ho anisan’ireo, ka manamboninahitra ambony ny fito, misy lehiben’ny Faritra, Ben’ny tanàna, mpitsara, dokotera ankoatra ireo havana akaiky ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena.

Manoloana izany dia mitaky ny hanafoanana io fifaninanana io ireo mpiadina mandala ny mangarahara ary koa mitaky ny hialan’izay rehetra nikarakara azy satria misy sady mpiadina no mpikarakara fifaninanana. Mangataka ny hamerenana ny fifaninanana ireo mpiadina ka hankinina amin’ireo profesora eny amin’ny oniversite sy olo-manankaja ambony lavitry ny fahalovana ny fikarakarana azy.

Anisan’ny nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity ny Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa, ny administratera sivily Harilalaina Irma Juliandres. Hiala tsy ho Ben’ny tanàna ve ity olon’ny HVM ity raha ho isan’ireo 32 voaray ? Ho sarotsarotra aminy rahateo ny hitantana am-pilaminana ity renivohitr’i Betsileo ity noho ny elanelam-bato ety dia ety nanasaraka azy tamin’ny kandidan’ny MAPAR Razanamahasoa Christine mpifanandrina voalohany taminy nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny 31 jolay 2015 iny.

Marihina fa tsy mba toy ny mpiasam-panjakana ambony rehetra mandray fiofanana roa taona farafahakeliny vao mandray asa ny “Inspecteur d’État” fa miasa avy hatrany rehefa voaray ; tsy misy fanofanana aorian’ny fifaninanana.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT