Eto Madagasikara saingy mbola any am-ponja aloha no hankalaza ny tsingerintaona faha-65 nahaterahany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana satria tsy nampihetsi-bolomaso ny fitondram-panjakana ny fitakiana maro be ny amin’ny famotsorana azy
Re hatry ny omaly fa vory lanona any amin’ny “Amirauté” Antsiranana ny fianakaviana manontolo, dia Rtoa Lalao Ravalomanana sy ireo zanany efatra mianadahy sy ny vady aman-janany avy. Midika izany fa efa tafaverina eto Madagasikara i Josoa Ravalomanana zanaka lahimatoan’i Marc Ravalomanana, niverina eto ihany koa i Sarah Ravalomanana sy Maikatsara Ravalomanana izay samy monina any Afrika Atsimo, i Tojo Ravalomanana moa dia efa mipetraka eto Madagasikara rahateo. Araka ny fantatra ihany dia nandalo andro vitsy tany Afrika atsimo Rtoa Lalao Ravalomanana ary nivantana avy hatrany tany Antsiranana vantany vao tafaverina an-tanindrazana. Sambany tato anatin’ny 5 taona izany no nankalaza ny tsingerintaona nahaterahany teto Madagasikara i Marc Ravalomanana. Sambany ihany koa tao anatin’ny 5 taona no tafahaona teto Madagasikara izao ny fianakaviana Ravalomanana.
Tsy mbola misy resaka kosa anefa hatreto ny mety ho tohin’ny fitsarana na famotsorana ity filoha teo aloha ity. Ny filoham-pirenena milaza fa aleo ny fitsarana hanao ny asany fa mahaleo tena izy, ny fitsarana indray manamafy fa fepetra manokana avy amin’ny filoham-pirenena no hihazonana an’i Marc Ravalomanana any Antsiranana fa tsy mbola misy idiran’ny fitsarana, ary na ny fanadihadiana sy fakana am-bavany ity filoha teo aloha ity aza dia tsy mbola natomboka mihitsy hatramin’izao. Ny 12 desambra 1949 no teraka tany Imerinkasinina i Marc Ravalomanana, izy no nahita hevitra nampivoatra ny orinasam-pianakaviana manodina ronono ka lasa Tiko, anisan’ireo mpandraharaha Malagasy vitsy an’isa nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena izy tamin’ny tapatapaky ny taona 80, niaraka tamin’Atoa Tovonanahary Rabetsitonta sy Itompokolahy Herizo Razafimahaleo. Nisongadina avy hatrany anefa i Marc Ravalomanana noho ny fahiratan-tsaina ananany eo amin’ny fandraharahana. Voafidy ho ben’ny tanànan’Antananarivo izy tamin’ny 1999 ary lany ho filoham-pirenena tamin’ny desambra 2001 ka teo izy no nanomboka niditra amin’izay tamin’ny fanaovana politikaTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.