Politique

Fianakaviana Ravalomanana Nataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina « Kidnapping » i Dada


  • Alarobia 15 Oktobra 2014

Tojo Ravalomanana no nitantara ny tranga omaly. Nolaizany fa ny service anti-gang sy ny CSIS niisa 60 lahy no nahazo baiko hamaky ny trano sy haka ny filoha Ravalomanana. “Fusils ŕ pompe” sy “lacrymogčnes”, tsy nisy taratasy fisamborana mazava tany amin’izy ireo, tsy nojerena ny sata manokana maha filoham-pirenena an’i Dada. Aiza ny fanajana ny zon’olombelona sy ny hoe « Etat de droit” ? Nilaza ny filoha Hery

Rajaonarimampianina omaly fa tsy nanagadra nefa dia “kidnapping” no niseho.  Mangataka izahay fianakavina , ny mpisolovava ary ny dokoterany hijery azy, tsy mahalala ny misy azy akory izahay. Mangataka tsy misy hatakandro izahay ny hilazan’ny fitondram-panjakana fa salama tsara ny filoha Ravalomanana ary tsy nisy ny herisetra natao taminy. Ary mba hahafahana manaporofo ireo fangatahana ireo dia avelao izy hihaona amin’ny fianakaviany sady zony izany. Niangavy hanatitra fanafody sy akanjo kely ho an’i Dada izahay satria ilainy tsy tapaka izany  fa miaramila no nandray naka ireo entana. Mila mihinana fanofody isan’andro sy misotro rano be i Dada ary mifady sakafo. Tsy marary i Dada fa manao “traitement” satria efa lehibe. Mba ho fitsinjovana ny fitoniana dia mangataka fihaonana haingana eo amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy i Neny Lalao Ravalomanana izahay ary miantso ny sehatra iraisam-pirenena koa. Fotoana izao ho an’i Madagasikara hidirana amin’ny fampihavanana ary izay no natongavan’i Dada satria efa tena sahirana loatra ny vahoaka.

Ny tenako sy ny vadiko efa niharan’ny herisetra ary maty ny alikako, hoy i Tojo Ravalomanana teo koa ny reniko voaratra ary nalefa tany Hong-Kong nefa hijery ny bebenay narary, dia izao indray i Dada. Ho tonga hatraiza izany ? Rahoviana ny mpitandro ny filaminana no hiaro tokoa ny vahoaka fa mahantra tokoa ny Malagasy dia badoana ? Avy nivavaka ka hisakafo izahay tamin’iny amin’ny roa ora iny, baiboly no an-tanana ary tsy niaro tena na nanohatra. Tokony ho niresaka fa samy filoha fa Remenabila no tokony hanaovana ireny fihetsika ireny na  mpanao trafika boaderozy, hoy hatrany izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT