Politique

Fialan-dRajaonarimampianina Tsy hihoatra ny 26 jona…


  • Talata 15 Mey 2018

Isika efa dodona amin’ny fialan’ny mpitondra ka hofenointsika manontolo ity kianja ity manomboka amin’ny alatsinainy ho hitan’ny iraisam-pirenena, hoy ny Solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa ny sabotsy teo.

  Any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny baolina, saingy mivoaka kosa ny resaka fa tsy tokony haharitra hatramin’ny 26 jona hisian’ny matso eny Mahamasina intsony ny fijanonan-dRajaonarimampianina amin’ny fitondrana. Nambaran’ny depiote Tinoka Roberto fa sesilany ny fandrahonana manoloana ny tolom-bahoaka eny amin’ny 13 mey. Tsy ny tolom-bahoaka mihitsy no ho faty amin’ny fandrahonana isan’andro vaky izao ataon’ny fanjakana efa hiongana rahampitso, raha ny fanambarany teny an-kianja ny sabotsy teo. Niantefan’io hafatra io ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, izay nambarany fa manao fandrahonana. Nambaran’io depiote io ihany koa fa nahazo fiantsoana i Hery Rasoamaromaka sekretera nasionalin’ny MAPAR amin’ny alatsinainy izao, ka ambara fa manelingelina ny filaminan’ny tany sy ny fanjakana. Tsy nisy fandrobana teto, tsy nisy zavatra simba teto, ka ny seza efa mihozongozona ve izany no antony ? Horesahina amin’ny herinandro ihany koa ny resaka fangalarana volam-bahoaka, ary mampitandrina ny PRMP sy ny DAF any amin’ny minisitera amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-panjakana satria hafainganina avokoa ny dingana famoaham-bola amin’izao. Amin’ny herinandro ambony dia hakatso tanteraka ny fampihodinan-draharaham-panjakana satria nanao hetsika am-pilaminana ny depiote. “Misy mihaino ve ?”, hoy izy. “Mbola navoakan’ialahy hanan-kery foana ilay lalàna mampisy olana iny”, hoy izy mantsy an-dRajaonarimampianina. “Hamarotan’i Hery Rajaonarimampiesona saka beloha isika mianakavy”, hoy hatrany ity depiote ity. Hohamafisina ny tolona ary tsy misy hanaiky lembenana izany intsony eto. Niantso an’i kolonely Lylison hivoaka hanampy ny tolona ihany koa ny tenany, ary nambarany fa miantso an’io loholona io ny depiote 73. “Fa maninona ny senatera Lylison, senateran’i Madagasikara izay voafidim-bahoaka no atao an’izany fa tsy toa an’io belohan’ialahy notendrena io”, hoy ny hafatra mivaivay. Ankoatra izay, hidiana ny rano sy jiro, dia taraiky eo io, ary ny any Toliara izao dia efa migrevy ny mpiasan’ny Jirama, ny mpiasan’ny fitsarana,… hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT