Politique

Fialan-dRajao sy ny governemanta Manome fe-potoana 48 ora ny depiote


  • Talata 15 Mey 2018

Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no tena hamaritra ny ho tohin’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ary miantefa any amin’izy ireo ny hafatra amin’ny hamoahana faran’izay haingana ny didy momba ny fangatahana ny fialan’ny filoha.

 

Efa mampitandrina ny depiote fa hisy raharaha eto raha tsy mifanaraka amin’ny fangatahan’izy ireo no hiseho. Amin’ity herinandro ity no hovitaintsika ny tantara, hoy ny depiote Tinoka Roberto. Ianareo ao amin’ny HCC dia maheno ny kiakian’ny vahoaka isan’andro. Tsy handrahona anareo maraina sy hariva izahay fa fantatrareo ny tokony hataonareo. Ny feom-bahoaka feon’Andriamanitra, ka miangavy anareo ao amin’ny HCC izahay, miangavy ny fahendrena fa raha tsy mivoaka amin’ity herinandro ity io, raha tsy mivoaka alohan’ny alakamisy izao io, dia zoma sy ny sabotsy dia “action” foana foana manerana an’Antananarivo. Ianareo izay mbola any ambadika izay maheno ny kabarinay isan’andro, dia fotoana izao amin’ity herinandro ity hiraisantsika hina, hanehoana amin’ny mpitondra hoe rehefa ny vahoaka no miteny hoe ampy izay, leo izahay, tofoka izahay, tsy hihemotra intsony, dia isika rehetra izao no tompon’ilay fahefana. Ny vahoaka miaritra ny hain’andro eo amin’ny 13 mey no tompon’ny fahefana fa tsy ireo mibalady amin’ny fiara raitra V8. Raha tsy mametra-pialana ny ao amin’ny governemanta amin’ity herinandro ity, dia ho avy izahay amin’ny angady sy ny harona, ary ho avy amin’ny tenin’ny tanora hoe “amboarintsika amin’izay ireo”, hoy hatrany izy. Minisitra vitsivitsy no efa te hiala ao anaty governemanta ao, saingy mahazo fandrahonana sy ramatahora, hoy ny depiote Ramandimbisoa Félix. Raisina sy harovana ireo minisitra ireo raha mamonjy ny eny an-kianja, araka ny nambarany. Manomboka mikorontana ihany koa ny ao an-dapa satria ny mpanolotsaina iray efa fanta-daza hatramin’izay, dia re fa efa miresaka tsimoramora amin’ny olobe nailika voalohany raha vao nahazo fahefana.

ENCADRE

Tsara ny manamarika fa nandritra ny adiny dimy ny fivoriana tao amin’ny Lapan’ny tanàna omaly. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 1 ora atoandro latsaka kely ireo depiote no nanao fivoriana sy nanomana ny paikadiny. Mandeha ny resaka fa efa nisy fifanarahana tany ho any, saingy tsy hisy afaka ny hanamarina izany afa tsy ny fivoaran’ny toe-draharaha. Ny azo heverina aloha, dia hisy zavatra hiova amin’ity herinandro ity. Miandry izay ho tohiny ny rehetra.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT