Politique

Fiainam-pirenena Mitaky ny fandraisany anjara ny vahoaka


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Raha ny hevitry ny hoe “politika” tany am-piadohana dia fanasoavam-bahoaka. Tsy fahavononana sy tsy fahamatorana tsotr`izao anefa no hasehon`ny mpanao politika sasany tamin`ity fifidianana ity.

 

 

Toa hoe nisy krizy politika teo anivon`ny Antenimieram-pirenena sy ny fitantanana ny Repoblika dia nihazakazaka be ny raharaham-pifidianana sy raharaham-pirenena ka izay vao taitra ireo milaza ho mpanao politika rehetra ireo hirotsaka hofidiana kanefa tara ny fanomanana. Amin`izao herinandro fahefatra amin`ny fampielezan-kevitra izao vao mahita ny fiantraikany amin`ny fanomanana. Ny hafa anefa efa fotoana maharitra no nanomana. Ahiana hisy amin`ireo kandidà ireo, indrindra ireo tsy manana vintana ho lany mandrakizay no tsy hanan-katao afa-tsy ny hitsikera. Miaina anaty fahakiviana sy fahantrana ny firenentsika ary izany no anton`ny hetsi-bahoaka nisy teto amin`ny firenena, naneho hahatezerana ary rariny loatra izany. Mitaky ny rariny sy ny fahaiza-mitantana ary ny fandraisany anjara amin`ny raharaham-pirenena ny vahoaka Malagasy ka amin`ny alalan`ny safidim-bahoaka no tena hanehoany ny fahefany. Ny olom-pirenena rahateo dia efa nitodika tamin`ny lasa ary mibanjina ny ho avy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT