Politique

Fiainam-pirenena Mila olona tena mpitarika ny Malagasy


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Maro ireo no mifanontany momba ny fihodinana faharoan`ny fifidianana ho filoham-pirenena amin`ny 19 desambra ho avy izao. Iza no hisalotra ny amboara? Inona no tombony sy mety ho fahalemen`ireo mpifanandrina?

 

 

Tsy any loatra no tiana ahatongavana fa inona no tena ilain`ny Malagasy amin`izao kihon-dalana handalovan`ny firenena izao? Raha mijery ireo firenena any ivelany dia tsy amin`ny fisalasalana no ilazàna fa ny fahaizana mitarika ataon`ny mpitondra no tena mitondra izany fahombiazana izany. Iza no mpitarika politika eto amin’ny firenena na mpitondra  nahazo fahefana sahy hilaza toa ny filoha Roandey, Paul Kagamé, hoe “tsy mila mpitaiza zaza (baby sitter) izahay” mantsy ireo firenen-dehibe? Ny mpitarika mahomby dia tsy maintsy mahafantatra ny fomba hahatonga ny olona ho saro-takarina mba hahazoana ny vokatra tsara indrindra eo ambany fihahiany. Maro ny mpitarika mampiasa fomba fiasa "fitantanana asa" fa tsy "fomba fitantanana ny vokatra". Ny mpitarika mahomby dia manampy amin'ny fananganana fitokisana amin'ny olona mba hahafahany mahazo hery bebe kokoa ary misafidy ireo safidy tsara indrindra mifototra amin'ny vokatra mitambatra. Mila mahafantatra ny firenena sy ny firenena hafa  ary indrindra mila mpitarika mahafehy ny fifandraisana any ivelany. Ny fakana lesona amin`ireo lesoka sy tsikera atao momba azy nandritra ny nitondrany anefa no fanalahidin`ny fandresen`ny kandidà amin`ny fisedràna safidim-bahoaka. Mety hitodika any amin`izany ny mpifidy tsy tonga nandatsa-bato na ireo nifidy mpifaninana hafa tamin’ny fihodinana voalohany raha toa ka manome antoka mazava sy ankitsi-po ary azo tsapain-tanana momba ireo izy. Tsy natao andrakandrana ny fandaharan’asa izay ho entina hanarenana ny firenena saingy vina samy hafa koa no vohizina handresen-dahatra ny mpifidy. Ny fehiny, mila olona tena mpitarika ny Malagasy ary mpitondra manana traikefa sy sahy hilaza sy hanatanteraka izany no hany afaka hanavotra an`I Madagasikara ao anatin’izao toerana misy azy izao ary ny fampihavanam-pirenena no lehibe indrindra amin’izany sy handrasana aminy. Mila manaraka tsara ny fampielezan-kevitra ny vahoaka malagasy indrindra amin`ity herinandro farany ity izay hamaritra ny dimy taona ho avy izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

Hijery ny tohiny
FTT