Mifamahofaho ny toedraharaham-pirenena eto amintsika, indrindra amin`ny fampiharana sy fanajana ny lalàna velona.
Marefo ny fanaraha-maso sy ny andrim-panjakana ka manao izay danin’ny kibony ny rehetra, indrindra ireo mpanao politika. Raha mahakasika ny fangalarana fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana dia mazava ny lalàna mahakasika ny fifidianana. Matoa napetraka ny fe-potoana fanaovana propagandy dia midika fa ny zavatra rehetra atao mialoha an`izay ka ahitana soritra hoe miantso ny olona hifidy kandidà iray dia tokony hosazian`ny lalàm-pifidianana. Ny rafitra roa toy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no tokony haka fepetra amin`izay. Hatreto, moana tanteraka ireo rafitra roa ireo mahakasika ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Eo ihany koa ny mahakasika ny filoha mpisolo toerana. Raha mametra-pialana ny filoham-pirenena dia misolo toerana ny filohan`ny antenimierandoholona. Voafaritra ao anatin`ny atao hoe “jurisprudence constitutionnelle”ny fetra izay hananan`ny filoha mpisolo toerana ka tsy afaka hitondra tena toy ny filoha lanim-bahoaka kanefa nisy ny famindram-pahefana teo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina ,sy ny filoham-panjakana. Rivo Rakotovao. Manararaotra tokoa ny mpanao politika satria tsy miteny ny andrim-panjakana eto amintsika kanefa tokony hanao ny fifehezana an`ireo lalàna velona misy eto amintsika izy ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.