10 taona lasa mahery izay no namaritan’ny fitondrana Ravalomanana ny vina «Madagasikara Voajanahary». Voasoritra tao anatin’io fomba fijery vaovao nanomboka ny volana novambra 2014 io tokoa mantsy ny finiavan’ny ekipa notarihan’ny filoha Ravalomanana Marc hikolokolo sy hiaro ny tontolo iainana ho antoky ny fampandrosoana haingana sy maharitra an’i Madagasikara.
Dada sy ny MAP
Ny fananan’ny firenena Malagasy harena voajanahary miavaka miaraka amin’ny fanodinana ireo vokatra voajanahary no fototry ny fampandrosoana, araka ny voafaritry ny «Madagascar Naturellement» tamin’izany fotoana izany. Voajery tao avokoa ireo sehatra toy ny fampianarana, ny fambolena sy ny fiompiana, ny taozava-baventy ary ny fandraharahana matihanina. Tsy latsa-danja ihany koa ny lafiny ara-kolontsaina sy ireo fomba nenti-paharazana tena Malagasy sy ny firaisankinam-pirenena. Natao hanafainganana sy nandrindrana ny asa fampandrosoana amin’ny fanatanterahana ireo dingana lehibe mankany amin’ny fanatsarana ny toekarena kosa no namolavolan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny Madagasikara Am-Perinasa tamin’ny volana oktobra 2006. Drafitrasa goavana sy matotra ny MAP izay manoritra ny soridalana sy ny laharam-pahamehana ho an’ny firenena mandritra ny 5 taona izay natomboka ny taona 2007 hatramin’ny 2011. Efa nahazo ny fankatoavan’ny vahoaka Malagasy sy ny sehatra iraisam-pirenena io fandaharanasa manangana ireo fotokarena miisa fito ho an’i Madagasikara io dia ny fotokarena mahaolona, ny fotokarena fotodrafitrasa, ny fotokarena sehatra tsy miankina, ny fotokarena voajanahary, ny fotokarena fitarihana, ny fotokarena fahalalana ary ny fotokarena andrim-panjakana. Mitentina hatrany amin’ny 700 tapitrisa dolara moa no famatsiam-bola azo tamin’ireo mpiara-miombon’antoka tokony hampiharana ny MAP saingy indrisy nitranga ny raharaha mampalahelo tamin’ny taona 2009.
FAT sy ny fanapotehana
Tsy tantara na angano fa niarahan’ny vahoaka Malagasy nahita sy niaina ny fanonganam-panjakana niaraka tamin’ny fampiasan-kery teto amin’ny firenena vao nanomboka ny taona 2009. Nampiasain’ireo mpiara-dia tamin’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita avokoa tamin’izany ireo teti-dratsy rehetra hanalana ny fitondram-panjakana voafidim-bahoaka. Fangalana lapam-panjakana, fandrobana miampy fanapotehana fananam-bahoaka sy fananan’olon-tsotra, fidirana an-keriny teny amin’ny minisitera, famingavingana olo-manan-kaja Malagasy sy vahiny, fampiasana fitaovam-piadiana, fandrahonana sy ny maro. 5 taona mahery no niharetan’ny mpiray tanindrazana ireo karazana fahoriana sy fijaliana samihafa. Fiainana tsaratsara kokoa no nandrandraina kinanjo fahantrana mangitsokitsoka no setriny. Nanomboka nahazo vahana teo ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fanarahan-dalàna, ny gaboraraka, ny kolikoly ary indrindra indrindra ny fanondranana tsy misy fetra ireo harem-pirenena. Lasa tompony mangataka atiny ny Malagasy tompon-tany manoloana ireo teratany vahiny be vola sy akamakaman’ireo olom-panjakana ambony. Azo ambara tsy am-pisalasalana fa nifototra tamin’ny fangoronan-karena ny fandaharanasan’ny HAT fa tsy nihevitra velively ny fiainam-bahoaka.
HVM tsy maharesy lahatra
Herintaona izay no niverenan’ny fitondrana ara-dalàna teto Madagasikara notarihan’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery. Tsy mbola ampy 12 volana akory dia tsapa fa tsy naharesy lahatra ny olom-pirenena Malagasy ny fitantanan’ny ekipan’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara. Nisy rahateo ireo fampanantenana maromaro tsy tanteraka nataon’ny filoham-pirenena ka mahatonga ny salan’isan’ireo nifidy azy ho midina ankehitriny. Mahita moa ny mpanara-baovao sy ny fiainam-pirenena fa manao «kopi kolé» tamin’ireo fitondrana nifandimby teto fotsiny ny mpitondra HVM na dia miezaka miala amin’izany aza. Fomba mampiavaka ity fitondrana ity ny fahaizana miresaka sy manatsara endrika eo anoloan’ny vahoaka sy ny sehatra iraisam-pirenena. Ny zava-misy anefa dia mbola hita soritra hatreto ny ahiahin’ireo mpamatsy vola tao anatin’izay herintaonan’ny fitondran-dRajaonarimampianina izay. Ny zavatra tsikaritra vao haingana izao dia ny filazan’ny filoha ny fijoroan’ny governemanta vonona hiady. Misongadina anefa ny tsy fahaizan’ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta mandrindra asa anatiny fa toa samy maka ho azy. Manaporofo izany ny fandraisana andraikitry ny minisitry ny mponina manokana niantso tolo-tanana tsimialonjafy saingy notsindrin’ilay andro firaisankina sy fiaraha-mientana notapahan’ny filankevitry ny governemanta rahampitso 7 febroary indray ilay hetsika. Lesoka mila harenina avy hatrany izany ho an’ny ekipa miatrika ady. Mbola lavitra rahateo ny lalan-kizorana ahatongavana amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.