Nahoraka tato anatin’ny 24 ora indray izao fa hoe hahazo fiaramanidina ho fampiasan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny dia ataony eto an-toerana sy any ivelany ny fiadidiana ny Repoblika.
Tia mivoaka any ivelany moa ny filohan’ny Repoblika faha-4, ary matetika mihitsy izy tao anatin’izay fito volana nitondrany izay, nefa ny zotran’ny Air Madagascar fandehanany tsy tomombana lava, manakorontana ny fandaharam-potoanany, ka mety ho izay angamba no nahatonga ny safidy. Ka raha izany ihany, inona no nanaovana varoboba ilay boeing “Air force one” tamin’ny andron-dRavalomanana ? Ary mba natao aiza marina moa ny vola 24,5 tapitrisa dolara nambara fa vidin’izy iny ?
Raha ny loharanom-baovao dia fiaramanidina vita anglisy izy ity ary motera efatra no mampandeha azy. Tsy io irery fa hahazo roa mitovy aminy koa ny Air Madagascar ka raha tsy misy ny fiovana dia tokony ho avy anio ny iray ary andrasana amin’ny 17 aogositra ny faharoa. Hisy iray koa ho an’ny tafika Malagasy. Efatra ny isany saingy tsy ahenoan-teny ny mikasika ny fomba nahazoana ireo fiaramanidina ireo ny mpitondra. Inona no ao ambadik’izany ? Novidiana sa fanomezana ireo ? Mifamahofaho mantsy ny resaka. Raha ny fahasahiranana lalovan’ny Air Madagascar aloha dia sarotra ny hinoana fa novidiana ireo. Ny mahagaga fotsiny dia toa tsy voaomana amin’izany ny teknisianina Malagasy sy ny mpanamory Malagasy. Dia ahoana koa ny amin’ny fotodrafitrasa handraisana izany fiaramanidina manana motera efatra izany ? Ny fikojana azy ? Ny hoenti-manana ? Fantatra mantsy fa tena mandany solika ity karazana fiaramanidina ity. Ny fanjakana anefa etsy an-kilany tsy manam-bola. Milaza moa ny loharanom-baovao fa mety ho anjara birikin’ny mpiray ombon’antoka, handray an-tanana ny Air Madagascar ireo fiaramanidina ireo, ary mety ho fanomezana ilay ho an’ny fiadidiana ny Repoblika. Raha izay tokoa, dia inona no takalony ? Sa holazaina indray fa tolotra avy amin’ny malalatanana toy ny nambara tamin’ireo fiara 4x4 miisa 350 tonga teny Iavoloha ? Aleo hazava e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.