Sahirana ny fanjakana mitady fiaraha-miasa amin’ny firenena rehetra izay milaza ho manambola mba hampiasa ny volany eto Madagasikara.
Maro izay efa nandalo teto izay kanefa mbola fepetra hatrany no apetrany fa tsy tena mbola misokatra ny poketran’izy ireo. Omaly ary dia ny minisitra lefitry ny fifandraisana iraisam-pirenena sy misahana ny fifampiraharahana afrikanina tantsimo M.Luwellyn Tyronr Landers no noraisin’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean teny amin’ny toeram-piasany teny Mahazoarivo. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny fampiroboroana ny ara-toekarena sy ny ara-barotra no tena niompanan’ny dinika. Ny praiminisitra koa nanentana ny minisitra afrikanina tatsimo hiditra amin’ny tontolon’ny fambolena eto Madagasikara. Mbola ny 25 tapitrisa ha mantsy no tsy misy mpamboly amin’ireo velaran-tany azo volena izay mirefy 30 tapitrisa ha. Tsapa amin’ny politika ivelan’ny mpitondra Malagasy ankehitriny fa tsy te hiandry ny fanapahan-kevitry ny mpamatsy vola lehibe izay toa mampifilafila ny fanjakana Malagasy ka miezaka mandrafitra fifandraisana ara-toekarena amin’ny samy firenena mba hampivelarana ny asa famokarana. Ambonin’izay dia fantatra ihany koa fa mety ho tonga aty Madagasikara amin’ny taona 2016 ny filoha afrikanina tatsimo Jacob Zuma.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.