Nanome voninahitra ny fanamarihana ny faharoa taona nijoroan’ny fikambanam-behivavy Miray ao Mahatsinjo Morarano chrome ny faran’ny herinandro teo ny lehiben’ny faritra Ranaivonirina Jean Yves mivady.
Zava-dehibe aminy ny fandraisana andraikitry ny vehivavy eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Tokony hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny faritra ny rehetra, hoy izy na vehivavy izany na lehilahy. Misokatra midanadana ho an’ny rehetra ny varavaran’ny faritra. Betsaka ny zavatra hafa tokony ho naleha saingy nomena lanja manokana ny hetsika nokarakaraina ny fikambanam-behivavy eto Mahatsinjo. Mampiavaka ny fikambanam-behivavy Miray ny fandraisana anjara mavitrika eo amin’ny sosialy ny mponina. Mandray andraikitra izy ireo amin’ny fikolokoloana ny tontolo manodidina. Nisy ny fampirantiana ny taozavatra izay vitan’izy ireo nandritra io lanonana io.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.