Politique

Fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro Hanao ezaka hahazoan’ny rehetra herinaratra


  • Talata 23 Jona 2015

Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny fananan’ny mpiara-belona herinaratra. Mahatsapa izany ny fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro ka nifanome tanana tamin’ny orinasa BTC amin’ny famolavolana tetikasa iray hahafahan’ny vahoaka

 

rehetra ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro manjifa herinaratra amin’ny vidiny mirary. Nisy ny fidinana ifotony ny faran’ny herinanadro teo tany Ambatomafana, nijerena ilay riandrano havadika ho herinaratra. Nitarika ny dia tamin’izany ny lehiben’ny Faritra Ranaivonirina Jean Yves. Dia an-tongotra adiny fito vao tonga tany amin’ilay toerana, kanefa tsy nampihemotra ny fiadidiana ny faritra amin’ny ezaka tiany hotanterahana izany. Izay hampandroso ny faritra no himasoana, hoy ny lehiben’ny faritra ka hifanome tanana ny rehetra hanatontosa ny tetikasa. Fantatra fa hahafahana mamokatra herinaratra hatrany amin’ny 5MGWatt ny riandrano any Ambatomafana, izay mahavita mamatsy ny faritra Alaotra iray manontolo, araka ny nambaran’ny tekinisianina avy amin’ny orinasa BTC. Hitondra fampandrosoana haingana ny faritra Alaotra Mangoro ny fahatontosana io tetikasa io.


 

Niry A 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT