Politique

Fety sy Famoriam-bahoaka Nikipian’i Dadapasy ny andro sabata


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Nikipian’i Dadapasy ny andro sabata natokana ho an’ny fivavahana sy fiombonana any am-piangonana fa dia naleony nafantoka any amin’ny karazana propagandy mialoha ny fotoana, hoy ny fanehoan-kevitra maro samihafa amin’izao fotoana izao.

 

 Ny famoriam-bahoaka ataon’ny Pastera Mailhol eny Mahamasina ny sabotsy 22 septambra ho avy izao io miteraka adihevitra io. Ho an’ny fiangonana apokalipsy izay tarihiny, dia ny sabotsy no fotoam-bavaka saingy nampandeferina aloha izany io, fa aleo mifantoka amin’ny famoriam-bahoaka. Miteraka resa-be ihany koa ny fampiasan’ity mpitondra fivavahana ity artista ity mpanakanto maro, izay sokajiana hoe mpihiran’izao tontolo izao. Fisokafana sa kosa paikady amin’ny fifidianana, ka hikipiana na mety hahazoana kihana samihafa aza ? Efa niteraka resabe ny fanohanan’ny mpino silamo sasany, izay efa nanambara fa hanohana an’i Pasitera Mailhol, ka maro ihany koa ny milaza fa nikipian’i Dadapasy ny mety ho elanelana sy tsy fitovian-kevitra, ka izay heveriny fa azony antsoina handrotsa-bato ho azy dia nanaovany pi-maso na inona na inona tsy fitovian-kevitra ara-pinoana. Paikady amin’ny fifidianana avokoa io, ka tsy hifanomezan-tsiny e ! Mandeha ihany koa ny resaka amin’izao fotoana fa ataon’i Pasitera Mailhol antoka hahazoana ny volan’ny Rosianina ny “Iles éparses”. Tombanana hatrany amin’ny 300 miliara ny harena amin’ireo ka re fa hanontona 50 miliara hanaovana fotodrafitrasa eto Madagasikara ny Rosianina raha lany i Mailhol.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT