Niala tamin’ny fahanginany i Fetison Rakoto Andrianirina filoha nasionalin’ny antoko Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy manoloana ny toe-draharaha ankehitriny. Notsoriny fa ratsy fiandohana izao Repoblika fahaefatra izao. Resadresaka nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana (TT) : Manoloana ny teo-draharaha ankehitriny, toa tsy re feo ianao sy nyAntoko tarihinao ? Tandindin-doza anefa ny firenena, aiza marina ny toerana misy anareo ?
Fetison Rakoto Andrianirina : Tsy mendrika an’izao trangan-javatra izao isika. Raha toa ka nanaiky ny tsy fanaiky sy niaina ny tsy fiainana nandritra ny tetezamita ny Malagasy dia niandrandra fiovana teo amin’ny andavanandrony sy filaminana noho izao fitondrana vaovao izao. Diso fanantenana izy ireo. Torak’izany koa ny Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy (RDS). Ratsy fiandohana izao Repoblika fahaefatra izao.
TT: Araky ny fahitanao azy, inona no tena olana ?
Fetison : Tsy mahatsiaro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ny vahoaka nifidy azy ireto mpitondra antsika na ny Filoham-pirenenana ny Solombavam-bahoaka. Ny Filoha moa, na dia teo aza ireto fampanantenana maro nataony, dia lany andro nitady izay nanamarinan-toerana ny fitondrany ary na dia tsy nifanaraka tamin’ny lalàmpanorenana nahavoafidy azy aza izany matetika dia noheveriny fa mety. Ireto olom-boafidy hafa kosa, lany andro tamin’ny fivadibadihana firehana ara-politika noho ny antony manokana ka nanadino ny anjara andraikitra napetraky ny vahoaka taminy. Manginy fotsiny ny HCC tsy mahaleotena tanteraka ka miaro ny tsy azo arovana hatreny amboalohany. Tsy adino ny fingampingana ataon’ny mpanao politika sasantsasany,toa tsy mihevitra ny filaminana fa manao alahelon-toerana sy te hiverina hitondra.
TT: Vakianao bantsilana mihitsy fa tsy misy mandeha ny raharaham-pirenena eto amintsika izany ?
Fetison : Tsy vitan’ny hoe tsy mandeha fa mbola ratsy tantana koa ka tsy misy azo antenaina mihitsy ho an’ny vahoaka. Impiry moa ny RDS no niantso fitoniana ara-politika mba hahafahan’ny mpitondra mifantoka amin’ny fitadiavana ny lalana mankany amin’ny fampandrosoana ? Very fotoana miaro ny toerany ireo voafidy, ny mpitondra sasany aza moa manomana sahady ny fakana ny fahefana amin’ny taona 2018… hany ka lasa ambanin-javatra ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy sy izay ho tombontsoany.
TT : Milaza ny Filoha fa ny famatsiam-bola tokony sitrahan’i Madagasikara dia atahorana ho very. Ahoana ny fahitanao izany ?
Fetison : Ny tsy fahaizan’ny rafitra mpanao lalàna sy ny rafitra mpanatanteraka miara-miasa no mahatonga fisalasalana eo amin’ireo mpamatsy vola. Mampisalasala azy ireo ihany koa ny fiasan’ireo rafitra mpanara-maso ny fomba fampiasana ny volam-bahoaka. Dia ho gaga ve isika raha hihemotra ireo vahiny te hanampy ?
TT : Inonaizany no vahaolana ?
Fetison : Firenena iray i Madagasikara. Tokony hahay hiara-mientana hampandroso azy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tsy misy hahazo tombontsoa amin’izay vokatra havoakan’ny HCC eo na iza na iza. Fifanatonana sy fifampiresahana ary fifandeferana no tokony hatao sady ho fampiharana ny fifampihavam-pirenena dradradradraina tetsy sy teroa. Hatsahatra ny fihantsiana eo amin’ny samy mpitondra. Antso koa no atao amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, aoka homena vahana ny fifanakalozana amin’ny Filoha sy ny Governamanta mitsangana ara-dalàna ary ny Solombavam-bahoaka voafidy sy neken’ny Malagasy fa manjary miteraka fifanjevoana eo amin’ny samy mpitondra sy ny Vahoaka Malagasy ny tsy fanaovana izany.
Raha toa moa ka tsy mety izany dia tokony heverina sahady ny fametrahana fomba fitantanana firenena vaovao, hahatsapan’ny Malagasy fa voasolon-tena marina ao amin’ny fitondrana ny raharaham-pirenena izy ireo no sady afaka mandray an-tanana mivantana ny hoaviny. Betsaka aza moa ny mangataka fiovana lalampanorenana ka hisafidianana farafaharatsiny amin’ny lalàna fototra roa samihafa : fitondrana mizakatena na fitondrana tokana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.