Dila ny 48 ora nampahiratana ny jamba sy nampandrenesana ny marenina ary nampitenenana ny moana, hoy ny filohan’ny fikambanana Ankata, Brice Christopher Rabehavana, tetsy Ankadifotsy ny zoma teo.
Raha tsiahivina dia nanome 48 ora nanomboka ny alarobia ho an’ny Malagasy rehetra ity fikambanana ity hifanatonana. Tsy kisendrasendra, hoy izy ny zava-mitranga ankehitriny taorian’iny 48 ora iny fa lahatra. Ny feon’ny fieritreretan’ny HCC no mpandresy. Taorian’iny vintana Adimizana iny isika dia hiditra amin’ny vintana Alakarabo indray. Ny zavatra nitranga tao anaty 48 ora manaraka, izany hoe, ny sabotsy teo dia niakatra dia niakatra ny maripanan’ny toe-draharaham-pirenena fa nidina dia nidina kosa ny alahady. Manomboka anio alatsinainy dia hitsiry amin’ny varavaran’ny tia tanindrazana rehetra ny masoandro. 2 andro isika niara-nanonja ary 8 andro hiara-kientana. Araho vavaka, hoy ny fikambanana. Efa tamin’ny taona 2015 izahay no niteny tamin’ny filoham-pirenena fa tsy mety aminay ity tarehimarika telony ity ary tsy afaka hitazona azy intsony afaka 3 taona, izany hoe izao 2018 izao, hoy hatrany ny filohan’ny Ankata.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.