Misabaka ny Mapar, tsy manana hevitra mazava manoloana ny fehin-kevitra nivoaka avy amin’ny dinika ho amin’ny fampihavanam-pirenena natao teny Ivato. Nanambara omaly Rtoa Lanto Rakotomanga solombavambahoaka Mapar fa tsy vitan’ny fifonana ny resaka fa mila mandalo fitsarana i Marc Ravalomanana.
Ankoatra izay dia mankasitraka ny fandravana ny andrim-panjakana rehetra izahay, hoy ity olom-boafidin’ny Mapar ity raha toa ka aroso ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka dia ho hita eo izay tena tian’ny vahoaka. Milaza indray anefa izy avy eo fa tsy ny fampihavanam-pirenena izao no tokony ho laharam-pahamehana fa ny fanarenana ny tontolo sosialy, ny fanabeazana ho an’ny zaza ary ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.