Namoaka fanambarana ny Vondron’ny Federalista Toamasina izay tarihan’Atoa Be François, fa manomboka izao dia “mijoro eto Madagasikara sy eto Toamasina,
ny Fanjakana Madagasikara Atsinanagna, izay mifaritra toy izao ny habeny sy ny jeografiany : avy ao atsimo Marolambo, ny avy ao atsimo andrefana Manjakandriana; ny avy ao andrefana Andilamena; ny avy ao avaratra Maroantsetra; ary avy ao atsinanana Sainte-Marie sy ny ranomasim-be Indiana”. Tao amin’ny trano fisakafoanana « l’Univers » no nanaovan’izy ireo ny fanambarana ny zoma teo. Noho ny foto-kevitra napetraky ny HFI na « Hetsika Fanarenana Ifotony », noho ny fanapahana noraisin’ireo antoko politika miisa 146, noho ny fahitan’izy ireto fa lasa olana fa tsy vahaolan’ny fanjakana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny fahitan’izy ireo ny fitsabahana be loatra ataon’ny fikambanana iraisam-pirenena amin’ny raharahan’ny Malagasy, ary ny amboletra amin’ny fanaovana ny fifidianana ny 07 novambra ho avy izao nefa ny raharaham-pirenena mbola misaritaka no nambaran’ireto Federalista ireto ho nanosika azy ireo ho amin’izao fanapahan-kevitra izao. Raha izao zava-misy izao izany dia miverina indray ny zava-nitranga ny taona 2001 sy taona 2002 tao anatin’ny fotoana fanomanana fifidianana koa tamin’izany. Ho hita eo izany ny tohin’ity raharaha ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.