80 miliara ariary eo ho eo no fatiantoky ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar farany teo. Tsy misy tsy malahelo ny malagasy ankehitriny manoloana ny fahatsapàna fa sahirana dia sahirana ity orin’asam-panjakana ity. Manginy fotsiny ireo fikorontanana mahazo ny mpandeha noho ny tsy fahampian’ny fiaramanidina miasa. Matetika dia ajanona tsotra izao ny sidina na koa ahemotra andro vitsivitsy noho izany fahasahiranana tsy roa aman-tany izany. Simba tanteraka amin’izany ny fijerin’ny mpizahatany ny firenentsika ary izany dia isan’ny antony mampitotongana ny sandan’ny ariary .
Rajoelina sy ny AIRBUS
Manoloana izany olana maro izany anefa dia maro ireo fanontaniana saro-baliana momba nyfitantanana ity orinasa ity. Voalohany amin’izany dia ny filazan’ingahyAndry Rajoelina enim-bolana monja talohan’ny nivoahan’ny annexe B, izay nandrara antsika hisidina any eoropa, fa hiara-hiasa amin’ny AIRBUS ny Air Madagascar. Midika ve izany sanatria fa efa nomanina mialoha ny zavatra rehetra, ka hiala amin’ireo Boeing 767 isika ka hiditra Airbus indray ? Nefa isika malagasy dia isan’ny kalaza eran-tany, ary nahazo « Cértification » amin’ny fitaizana ny Boeing. Dia very an-javony fotsiny ve izany ny asa sy ezaka nataon’ireo teknisianina sy manam-pahaizana Malagasy ireo ? Nefa ity Airbus A 340 nosafidiana ary nizahozahoana ity dia tena anisan’ny loharanom-pahasahiranan’ny Air Madagascar , noho izy mandany solika be. Marihina mantsy fa manana motera 4 izy raha 2 kosa izany ho an’ny Boeing 767-300 teo aloha. Izany indrindra no nahatonga ny Airbus nampiato ny famokarana ity A 340 ity noho izy mamono antoka be loatra. Nefa isika indray tamin’ireny no nidi-kizo tamin’izany. Ka inona no antony mbola nividiananan’ny fitondrana tetezamita io fiaramanidina io, tsy fahaizana mihitsy ve sa fanahy niniana natao ? Ary ny fitondrana ankehitriny toa mitazam-potsiny ny aretin’ny Air Madagascar, kanefa mpitantana tao ny filoha Rajaonarimampianina nandritra ny tetezamita, aiza ho aiza izao ilay hoe afaka ao anatin’ny lisitra mainty Annexe B ny Air Madagascar amin’ny febroary 2015 ?
Fitantanana hafahafa
Ny tena maha zendana ihany koa dia ny fanomezana vahana tanteraka an’io fifanarahana natao tamin’izany fotoana izany io. Raha tokony ho 1 taona monja mantsy izy tamin’izany fotoana, dia fantatra ankehitriny fa lasa 6 taona be izao. Ary ny mbola tena loza aza dia ny nangalàna indray ilayAribus A340 faharoa mampitohy an’I Madagasikara sy Azia. Nefa ilay Boeing 767 faharoa dia tsy niharan’nysazy na dia iray aza fa dia tonga dia nosoloina fotsiny tsotra izao, fa inona no nahamaika ? Ne fa ny hofan’ilay Boeing ary mbola naloa foana ary dia napetraka fotsiny tao Ivato tao ity farany kanefa dia voromby mbola afaka nanidina ara-dalàna tsara .Naleon’ny fanjakana Malagasy nanofa ilay firamanidina sady mandany solika no lafo dia lafo. F’angaha dia mpanefoefo be mihitsy ny Air Madagascar no afaka manary vola tahak’izany ? Nefa ny karaman’ireo malagasy miasa ao amin’ny orinasa dia vary fito venty raha mihoatra amin’ny an’ireo vahiny izay miasa anatin’ity Airbus ity. Tsy sanatria mamendrofendro fa dia efa ho avo telo heny noho ny raisin’ireo Malagasy no raisin’ireo Frantsay miasa amin’ireto A 340 ampiasain’ny Air Madagascar ireto . Fitiava-tanindrazana ve izany ?
Tsarain’ny tantara
Izany fanontaniana rehetra izany no mahatonga ny fandinihana hoe sao dia iriana ho vonoina mihitsy aza ny Air Madagascar ? sa sanatria ve dia tombotsoa manokana izay azon’ny mpitantana no hamonoana ireo mpiasa Malagasy aman’arivony mahery ?
Fantatra mantsy fa sahirana dia sahirana tokoa ny orinasa vahiny miaraka amintsika amin’ireo Airbus ireo satria dia efa tery dia teryny lalana any Azia sy Amerika ary Eoropa. Hany heriny dia hifantoka aty amin’ny firenena mahantra sy be kolikoly tahaka antsika.
Soa ihany ankehitriny fa misyilay Boeing 737 notoloran’ny filoha Ravalomanana tamin’izany fotoana mba hahafahan’ny Air Madagascar manao ireo sidina akaiky, nefa dia izany no antony nanakianana mafy dia mafy azy tamin’izany fotoana. Ny Tantara tokoa no mitsara !!!
Légende:Andry Rajoelina, nanomboka ny asa fanapotehana ny Air Madagascar ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.