Nanao fihaonam-be tao Sambava ireo mpanohana ny Filoha Marc Ravalomanana ao amin’ny Faritra SAVA, nahitana ireo mpandrindra avy amin’ny Disitrika efatra dia Vohémar, Antalaha, Andapa ary Sambava ny alahady 11 janoary teo. Navitrika ny
fandraisan’anjaran’ny Vondron’olon-tsotra. Natao hanamafisana ny firaisankina ary fifankatiavana eo amin’ny samy mpanohana an’i Dada io no famondronan-kery hampahomby ny tolona iombonana dia ny hisian’ny tena fahafahana sy fampandrosoana. Voaresaka ihany koa ny fihavanam-pirenena izay nitakian’izy ireo mba tena ho araka ny fahamarinana tsy misy fihatsarambelatsihy. Nohamafisin’ireo mpizaika nandritra ity fihaonana ity ny fanohanany ny Filoha Marc Ravalomanana noho ny asa fampandrosoana vitany tamin’iny Faritra SAVA iny sy ny mbola hataony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.