Omaly alatsinainy no nanomboka ny fanotana ireo lisitry ny mpifidy ao amin’ny faritra Boeny.
Niakatra ho 341 140 ny isan’ireo mpifidy tamin’ity fifidianana kaominaly ity, nihena izany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Hotsinjaraina amina biraom-pifidianana 622 ireo mpifidy ireo ao amin’ny kaominina mivondrona ao amin’ny faritra Boeny. Raha ny fantatra dia ny 16 jolay izao no ho tonga eto Madagasikara ny bileta tokana ampiasaina amin’ny fifidianana izao miaraka amin’ny biletan’ireo kandida. Am-perinasa tanteraka ireo solontenan’ny Ceni-T ao Mahajanga amin’ny fanotana ireo anaran’ireo mpifidy ao anatin’ny lisitra. Etsy an-daniny, efa vonona koa ny fitaovana rehetra entina ampiasaina mandritra ny fotoam-pifidianana. Ireo kandida sasany dia efa miroso amin’ny fampielazan-kevitra mialoha ny fotoana.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.