Miisa 1 906 399 ny mpifidy voasoratra anarana eto Analamanga, ka aorian’ny fitambaran’ireo distrika miisa 5 eto Antananarivo Renivohitra, dia anisan’ny be mpifidy indrindra ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano manerana ny nosy 335 608,
Avaradrano manana 244 260 voasoratra anarana. Faritra be mpifidy manaraka i Vakinankaratra misy mpifidy voasoratra anarana 834 804. Ho an’ny faritra Bongolava kosa, dia 231 307, raha toa ka 363 050 ny an’ny faritra Itasy. Manome 3 335 560 amin’ny 9 913 559 manerana ny Nosy izany no isan’ny mpifidy amin’ireo faritra 4 ato anatin’ny faritanin’Antananarivo teo aloha ireto. Ekena fa misy kandida maromaro avy eto, fa sokajiana ho mafy sy tsy azo hozongozonina ary hitarika amin’ny elanelan’isa lavitra i Marc Ravalomanana, raha tarafina amin’ny fifidianana rehetra efa nandeha. Saika isaky ny faritra anefa eto ahitana kandida, toa an’i Matsiatra Ambony, manana 525 376 mpifidy. Kandida tsy latsaky ny 7 no avy any amin’iny faritra iny sy ny ilany Atsimon’ny Nosy na ao anatin’ilay « Grand Sud ». Manodidina ny 9 eo ho eo ireo kandida avy any mety hifampizara vato, toa an’i Marc Ravalomanana. Mifanahantsahana amin’ny mpifidin’Antananarivo Avaradrano sy Atsimondrano mitambatra ary mbola latsak’izany aza ny isan’ireo mpifidy ho an’i Matsiatra Ambony. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny faritra Atsinanana izay 577 149. Misy kandida roa farafahakeliny avy ao, dia ny Amiraly Ratsiraka sy i Roland Ratsiraka, ankoatra ny hafa ary heverina fa tsy hisy ny elanelana be amin’i Marc Ravalomanana sy mbola hitsinjara amina kandida hafa na mety hitarika aza ny kandida avy any. 492 843 ny any Alaotra, izay tsara toerana sy heverina fa hitarika i Marc Ravalomanana. Raha handray ohatra hafa, dia 378 492 ho an’ny Faritra Boeny ao Anatin’ny Faritanin’i Mahajanga, 498 959 kosa ny isan’ny mpifidy any amin’ny faritra Sofia ao Mahajanga ihany, izay misy ihany koa ny kandida somary manana fiaviana avy any toa an’i Mahafaly Solonandrasana Olivier sy Jean Omer Beriziky, saingy tombanana ho tsara toerana i Marc Ravalomanana, ary raha sanatria ka resin’ny hafa aza tsy ho elanelan’isa lavitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.