Mambabo ny fon’ireo mponin’i Fianarantsoa avokoa tato ho ato ireo kandida ho filoham-pirenena. Nampahafantatra ny laharana misy azy voalohany ao anaty bileta tokana tany an-toerana ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina.
Heno ihany koa fa nihazo iny toerana iny omaly ny kandidan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa sy ny an’ny FMI Ma, Jean Jacques Ratsietison. Marina fa hankalazaina ao an-toerana manomboka anio ny taom-baovao Malagasy iraisan’ny rehetra fa ny mahagaga saika tsy solontena toy ny teo aloha loatra intsony no alefan’ireo kandida fa dia izy tenany mihitsy no lasa midina any an-toerana ankehitriny. Tao Fianarantsoa koa, raha tsiahivina, no nanambaran’ny kandida Joseph Martin Randriamampionona na Dadafara, tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahany hofidiana filoham-pirenena. Ampahany ihany ireo fa hatreto dia efa saika nandalo tao avokoa ny ankamaroan’ireo kandida tao anatin’izao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana izao. Malaza ho be mponina sy miray hina rahateo i Fianarantsoa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.