Politique

Faritanin’Antsiranana Delegen’ny kandida miisa 5 ihany no hita tamin’ireo biraom-pifidianana


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Fohy loatra ny fotoana nahafahana nanomana ary nanahirana rahateo ny arofenitra nasaina narahina mikasika ny fametrahana ireo solontenan’ny kandida isak’ireo biraom-pifidianana isam-paritra.

 Izay amin’ny ankapobeny no azo handravonana ny fitarainan’ireo kandida momba izay resaka fametrahana solontenana kandida isaky ny biraom-pifidianana izay. Isan’ny nampametra-panontaniana mpanaradia kandida iray moa ny hoe ahoana no ahafahana mitantana ny fomba fametrahana ireo delege raha toa ka ny sabotsy teo no tsy maintsy namaranana ny fanaterana izany isak’ireo biraom-pifidianana? Amin’ny ankapobeny moa dia miisa eo amin’ny 288 eo ireo delege isaky ny boriboritany, raha ho an’Antananarivo, raha ny fampatsiahivana natao farany. Efa nahabe tsikera ireo mpikirakira vaovao io toe-javatra izay nahazoana antoka fa hitranga io fony mbola nampimenomenona ny olona ny fahitana kandida ho filoham-pirenena diso be loatra. Delegena kandida ho filoham-pirenena miisa 5 amin’ireo 36 ihany moa no hita tamin’ireo biraom-pifidianana tao amin’ny faritanin’Antsiranana, raha ny fampitam-baovao iray avy any an-toerana. Tranga azo lazaina ho efa nampoizina fa hanerana biraom-pifidianana maromaro ihany anefa ny toy ity fa tsy ho an’Antsiranana ihany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT