Politique

Farimbon-tsendikalin’ny Jirama Mitaky ny hialan’ireo mpitantana rehetra


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Nanatanteraka fihaonambe ireo mpiasan’ny JIRAMA mivondrona ao amin’ny farimbon-tsendikaly eto an-drenivohitra, omaly. Tetsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina no nanatanterahany izany ka anisan’ny nivoitra ny fangatahan’izy ireo ny amin’ny tokony hialan’ny tale jeneralin’ity orinasa ity amin’izao sy ireo filankevi-pitantanana miaraka aminy.

Tsy ilaina intsony ny tompon’andraikitra tsy mahavaha olana, hoy Andrianalimanana Oliva, filohan’izy ireo. Efa 18 andro mantsy izao no nanatanterahan’izy ireo fitokonana saingy tsy mbola nisy nivaly ihany ireo fitakiany marobe, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Ankoatra izay dia nanapa-kevitra ihany koa izy ireo fa hanokatra kaonty manokana entina hanangonam-bola hividianana fitaovana hanamboarana ireo milina mpanaparitaka herinaratra manerana an’i Madagasikara. Miisa 177 izy ireo saingy ho antsika eto an-drenivohitra dia ny etsy Mandroseza no voakasika izay ilana vola 220 tapitrisa Ar any ho any raha kely indrindra, vola ilaina amin’ny fanombohan’ny asa raha mitotaly 4,6 tapitrisa Euros no vola tena ilaina. Na izany aza anefa dia nanambara ireo mpiasan’ny JIRAMA ireo fa tsy vitan’izy ireo irery ny manangona io vola io koa hiantsoany ny rehetra hahafahana miady amin’ny delestazy izay tena mampitaraina ny maro tokoa. Hatolotra ny fanjakana izay vola azo aorian’izany hahafahana manatanteraka ity tetikasa ity. Nanamafy moa Andrianalimanana Oliva fa tsy avy amin’izy ireo no antony mahatonga ny delestazy amin’izao fa vokatry ny tsy fandoavan’ny fanjakana ny vidin’ny gazoala an’ny tobim-pivarotan-tsolika iray.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT