Politique

Farafangana Rava maina ny fivorian’ny mpanolotsaina


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Omaly alarobia 7 oktobra dia nisy ny resaka nataon'ireo mpanolotsaina lany tamin'ny lisitra HVM fa mivory voalohany ny mpanolotsain'ny tanŕna an-drenivohitr'i Farafangana, izay miisa 9 (HVM : 3 lahy 1 vavy ; TIM 3 lahy ; MMM : 2 lahy), hanangana ny birao hitarika io mpanolotsainan'ny tanŕna io.

Raha ny filazan’ny avy ao amin’ny TIM sy MMM dia tsy naharay taratasy fiantsoana avy amin’ny solontenam-panjakana any an-toerana dia ny Prefen'i Farafangana izy ireo ka tsy ara-dalàna io fiantsoana fivoriana voalohany io, izay lazain'ny mpanolotsaina fa natao am-bava fotsiny. Tsy nisy solontenam-panjakana tonga koa fa ny Sekretera Jeneralin'ny Kaominina vao voatendry no nitarika ny fivoriana. Tsy nanaiky ireo mpanolotsaina avy amin’ny TIM sy MMM ka notakian'izy ireo ny hanemorana ny fivoriana satria adiny iray mialoha vao naheno amin’ny olon-tsotra fa toa hivory voalohany ny Filankevitry ny tanàna. Nahemotra ny tolakandro indray raha tsy raikitra ny fifidianana ny birao ny maraina io. Tsy mbola nisy solontenam-panjakana ihany fa ny Ben'ny tanàna sy ny Sekretera Jeneraly indray no tonga teo. Tsy nanaiky ireo mpanolotsaina fa mitaky ny taratasy fiantsoan'ny Prefen'i Farafangana sy ny fanatrehany an'io. Ny lehiben'ny Faritra Atsimo Atsinanana anefa no tonga teo izay nihevitra ny hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny fivoriana. Rava manta indray izany fa dia miandry ny taratasy fiantsoana. Hita fa te hanery fotsiny ny mpanatanteraka satria misy mpanolotsaina lasa any amin’ny mpanatanteraka ka tsy manana ny maro an'isa fa nisafidy hiaraka amin’ny TIM ny antoko hafa, nefa raha mbola mitarazoka ny fifidianana dia hanahirana satria efa notendrena any amin’ny mpanatanteraka ka tsy matoky ireo mpisolo toerana. Ny famindram-pahefana teo amin’ny PDS sy ramatoa Ben'ny tanàna efa vita tamin’ny zoma teo. Fanavaozana no hatao ka mila hatao manaraka ny lalàna, hoy ireo mpanolotsaina fa tsy hatao ohatry ny raharaha tokantrano ny raharaham-panjakana.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT