Kaominin’Antananarivo Renivohitra
Tapitra hatreo ny gaboraraka
. Araka ny efa notaterina teto mantsy dia nisy ny fampidirana mpiasa faobe tampotampoka faramparany teo ary dia lasa nibontsina ny isan’ny mpiasan’ny CUA. Tsy mazava tsara akory anefa ny andraikitra sahanin’ny mpiasa sasany fa dia nampidirina fotsiny aloha. Tsy manam-bola be anefa ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ka hanakarama izao olona rehetra izao. Misy noho izany ny fanadihadiana tokony hataon’ny ben’ny tanàna vaovao satria, niaraha-nahalala ihany ny gaboraraka tamin’ny fomba fiasa tao, tahaka ny nisy tamin’ny sehatra maro teto amin’ny firenena nandritra ny tetezamita. Be loatra ny aferafera maizina ao amin’ny resaka fahazoan-dalana hanorina trano sy hanototra tany ary na ny mpiasa vaventy na ny mpiasa madinika dia misy tafiditra amin’ireny afera ireny avokoa. Hentitra fomba fiasa Rtoa Lalao Ravalomanana ary azo antoka fa tsy hanaiky mihitsy io resaka gaboraraka io ny tenany ary efa manana paikady hiadiana amin’io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.