Omaly no nangataka fihaonana tamin’ny filohan’ny HCC tetsy Ambohidahy ny FANORO “tambajotra ho an’ny Tsara”, izay ahitana an-dry Razakarimanana Ndranto, Françis Turbo (Mpanakanto), Rado Rabarilala (Air Madagascar) , Mamitiana Razafimandimby (Scoop digital).
Ny antony dia ny fangatahana fanazavana ny dikan’ilay fanambarana nataon’ny HCC. Iaraha-mahita fa samy manana ny fandikany io fanapahan-kevitra io ny ankolafin-kery tsirairay ary na ny sarambabem-bahoaka aza tsy mahazo ny dikany. Efa halohalika ny ranombary, hoy izy ireo ary noho ny fihazakazahan’ny toe-draharaham-pirenena dia tsy afaka hiandry intsony ny FANORO. Nitondra fehin-kevitra efa nomanina nandritra ny andro maro izy ireo. Hisy ny fampihaonana amin’ny toerana anankiray hanaovana fanangonan-tsonia avy amin’ny olona ny amin’ny tsy fetezan’io fanapahan-kevitra io satria ifandroritana ankehitriny ny seza. Tokony hisy ny governemanta ho fanavotam-pirenena mba tsy hisian’ny krizy politika miverimberina intsony ary handinika milamina tsara ny momban’ny fifidianana.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.