Politique

Fanorenana ifotony Niaiky i Pety Rakotoniaina fa sarotra io


  • Zoma 10 Aogositra 2018

Hiverina etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey indray ny hetsi-bahoaka ho an’ny fanovana sy ny fanorenana ifotony tarihin-dry zareo avy eo anivon’ny Hetsika Fanorenana Ifotony (HFI) sy ny mpiara-dia aminy rehefa niato 2 andro.

Niaiky ny mpitari-tolona, Pety Rakotoniaina fa sarotra ny mametraka izay fanorenana ifotony izay, raha ny nambarany tetsy amin’ny foiben’ity hetsika ity tetsy Antaninandro omaly. Tsapan’ny rehetra, hoy izy, fa potika ny firenena ary miha mahantra isika saingy simba ny olona sy ny toe-tsainy. Ny antony dia potika ny fiainany ary mahantra sy sahirana izy, hany ka lasa mangataka takalo sy karama ilay vahoaka raha te handray anjara amin’ny fanovana. Anisan’ny tompon’andraikitra tamin’ny fitaizana izay toe-tsaina izay i Andry Rajoelina. Ny olana ihany koa dia samy maika amin’ny hialan’ny HVM sy Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana ny rehetra, hany ka lasa adihevitra be hatramin’izao izay tokony handeha aloha na ny fifidianana na ny fanorenana ifotony. Nanana 5 taona nahafahana nanarina ifotony, raha ny fahitan’ny HFI azy, i Andry Rajoelina, tao anaty tetezamita saingy lalàmpanorenana metimety aminy ihany no nataony na dia efa nisy tolo-kevitra maro momba izay lalàmpanorenana mety eto izay aza nandalo teo aminy. Mila mametraka paikady mafy orina mihitsy, hoy izy ireo, raha tiana ho tafita ny tanjona.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT