Hatramin’izao dia mbola azo isaina ireo mpanaraka mivantana etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ilay “Hetsi-bahoaka ho an’ny tena fanovana sy ny fanorenana ifotony”.
Manoloana ny zava-misy dia ventin-kevitra navoitran-dry zareo omaly fa hihomehezana anio ity resaka fanorenana ifotony ity fa vahaolana rahampitso kosa. Raisinay adidy hatrany ny maneho hevitra fa ny fanorenana ifotony no miantoka ny fampandrosoana, hoy izy ireo. Manoloana ny lahatsoratra iray an-gazety milaza fa nanodinkodina 13 tapitrisa ariary tao amin’ny kaominin’i Fianarantsoa izay niadidiany ny mpikambana iray ao na i Pety Rakotoniaina dia nanambara ny tenany fa izay manana porofo mikasika izany dia ento eo aminy. Tsy hihemotra izahay fa hiroso ary amin’ny herinandro ny diabe ho any amin’ny tany Kanana, hoy hatrany ireo mpikambana ao amin’ny HFI sy ny tariny ireto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.