Nolavin’ny fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana na ny HCC ny zoma alina teo ny fitakian’ny Solombavambahoaka ny amin’ny fampiatoana ny Filoham-pirenena amin’ny asany sy ny famerezan-jo politika azy.
Nomarihin’ny HCC kosa fa azo noraisina tsara ilay fitoriana saingy ny votoatiny no maivana ka nandavana ny fitakian’ny Solombavambahoaka. Mba ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ho fiarovana ny fitoniana politika manoloana izao krizy eo anivon’ny andrim-panjakana izao anefa dia namoaka didy ny HCC ny tsy maintsy hiarahan’ny andrim-panjakana rehetra sy ny hery politika samihafa miara-miasa ho fanavotana ny firenena ao amin’ny andininy faha-5 amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny.
Misy mitady hanakorontana
Misy mitady hanakorontana sahady ilay fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC mahakasika ny andininy fahadimy izany mitaky ny fiaraha-miasan’ny andrim-panjakana sy ny hery politika samihafa ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenana ho fitsinjovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena izany. Raha ny fandikan’ny mpanao politika ny tian’ny HCC amin’ny fomba tsotra amin’ity andiny faha dimy amin’ny didy navoakany ny zoma alina teo ity izany dia mitaky fiaraha-miasa sy fananganana governemanta vaovao sy fanitsiana eny anivon’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena no tiana ahatongavana. Nifanarakaraka tamin’io didy navoakan’ny HCC io dia nisy taratasy nivoaka izay nisy ny tombokasen’ny Fiadidiana ny Repobilika izay toa mitady hizara sahady ny fanjakana sy ny isan’ny toerana ho azon’ny antoko matanjaka ao anatin’ny governemanta vaovao. Any anatin’ny tambajotra sosialy ihany koa anefa no nahitana ny sabotsy tolakandro fa nolavin’ny Fiadidiana ny Repobilika ny fisian’io taratasy noezahina naparitaka io ary nambara fa olona misandoka no nanao azy.
Tsy hifanongana intsony ?
Ambaran’ny Hcc ihany koa tamin’ny fanapahan-kevitra fa miara-miasa ireo andrim-panjakana rehetra misy ary manambara an-kolaka izany fa tsy misy afaka mifanongana intsony fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe mety hisy tokoa ve izany ny fifampizarana seza ka ho afaka hiara-miasa avokoa tokoa ve ireo hery politika samihafa na dia tsy ho ankasitrahan’ny Filoham-pirenena izany ? Ny fanontaniana iray lehibe ihany koa dia ny hoe mety hanao ahoana no fandraisan’ny vahoaka ity fandaminana zary didy navoakan’ny HCC ity mba hampiarahana ny tsy mitovy fijery politika ?
Légende :Nanapa-kevitra an-kalalahana tokoa ve ireo mpitsara ao amin’ny HCC ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.