Politique

Fanonganana an-dRavalo Very 10 taona i Madagasikara


  • Zoma 28 Septambra 2018

Voizin’i Andry Rajoelina amin’ny fandresen-dahatra ny Malagasy ny hanonitra ny fahatarana amin’ny fampandrosoana na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe:

 

 

 “Rattraper le retard” amin’izao fotoana ka ilay vina IEM no ambara fa fanoitra hahafahana manatratra ny tanjona. Fa iza no nahatonga antsika ho taraiky sy nihemotra tahaka izao ? Raha ny tahan’ny fahantrana sy ny fadiranovana tany amin’ny taona 2002, dia 80,7% raha toa ka efa tafidina tany amin’ny 68% izany ny taona 2008. Midika io fa azo antoka ny fanatrarana ny OMD ny tanjon’ny taona arivo ho an’ny fampandrosoana raha nitohy sy nilamina ny firenena, izay efa tafakatra 7,1% ny tahan’ny harin-karena, raha 6,5% no tsara indrindra tamin’ny ankapobeny taty Afrika. Modely tamin’ny fampandrosoana i Madagasikara ary efa nanomboka nolazaina aza hoe: “Dragon de l’Océan Indien” noho ny fihazakazaky ny fandrosoana. Taorian’ny fanonganam-panjakana sy ny krizy ary ny sazy iraisam-pirenena anefa, dia nitotongana tany amin’ny 92% ny tahan’ny fahantrana, izany hoe niverina nitovy laharana amin’ny tamin’ny taona 90. Ankehitriny, ny nosy kely Maorisy aza manankarena avo 25 heny amin’i Madagasikara, raha ny harena hita maso sy ny fari-piainan’ny vahoaka no resahina. Nalaza tany Afrika ny anarana Marc Ravalomanana ary saika niaiky azy avokoa ny rehetra ka ny tetikasany novolavolainy aza nisy nividy sy nampiasa, ary mbola porofo goavana manamarina ny hamafiny ny nahazoany ny amboara maha mpitarika politika mendrika indrindra azy aty Afrika, ka resiny tamin’ny fifidianana ny Filoha Kenianina am-perinasa Uhuru  Kenyata sy ilay filoha Liberianina teo aloha Ellen Johnson Sirleaf, izay efa nahazo ny amboara Nobel momba ny fandriampahalemana ny taona 2011. Mety nisy ny zavatra natsangan’i Andry Rajoelina hahatsiarovana azy. Anisan’ny amboara lehibe azony ny hoe : izy no olona tanora indrindra nahavita nanongam-panjakana, ary nosazian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy sy ny mpiara-dia taminy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT