Politique

Fanonganam-panjakana 2009 Zioga tsy mbola afak’i Andry Rajoelina


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Ampy ilazana ny zava-nitranga tany Paris - Frantsa ny alakamisy teo fa ho sahirana amin’ny fifampiresahany amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa any ivelany i Andry Rajoelina ary tsy mbola voakosoka fa tadidin’ny olona tsara ny fanonganam-panjakana notarihiny tamin’ny 2009.

 

 Ny alakamisy alina sy omaly zoma tontolo dia niezaka nanazava ireo mpomba an-dRajoelina saingy tsy tafavoaka satria maivana ny tohan-kevitra. Fanonganam-panjakana  no voambolana ampiasaina n’aiza n’aiza eto ambonin’ny tany momba ny zava-nitranga teto Madagasikara tamin’ny 2009. Tsy nisy fifandimbiasam-pahefana ara-pomba demokratika ary nisy andiana miaramila nikomy sy nanampy ny mpanongam-panjakana. Maro ny tsindry sy teritery narahana fandrahonana natao ireo olona nambara fa miara-dia amin’i Marc Ravalomanana, porofo azo an-tsary sy feo momba izany ny herisetra natao ny filohan’ny Fjkm sy ny fandrahonana ny masoivohon’i Etazonia teny amin’ny Episcopat Antanimena ny 17 martsa 2009. Tamin’io fotoana io no namakiana ilay taratasy avy any amin’ny filoha Marc Ravalomanana manambara fa afindrany any amin’ny manamboninahitra tranainy sy ambony grady indrindra mbola am-perinasa ny fahefana. Tsy tontosa anefa izany satria tonga nanakorontana sy nandrangaranga basy ny andiana miaramila avy ao amin’ny Capsat. Ny alin’io, nisy ny fanambarana teny amin’ny toby miaramilan’ny Capsat nilaza fa atolotry ny miaramila an’i Andry Rajoelina ny fahefana. Miteny ihany koa ny sary nalaina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny 14 martsa 2009, izany hoe telo andro mialoha ny zava-nitranga teny amin’ny Episcopat Antanimena ka nahitana miaramila manao fanamiana efa milanja basy, ary ny kabary natao dia efa mifono fandrahonana sy manery ny filoha am-perinasa Marc Ravalomanana mba hametra-pialana. Mbola resaka hafa nahitana fanaparam-pahefana sy herisetra maro avy eo no nitranga nandritra ny fitondrana tetezamita. Teo ny fisamborana, fanagadrana, fanakatonana haino aman-jery…Ireny tranga ireny no nanaratsy ary mbola manaratsy endrika an’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana. Nisy ireo taitaitra raha niverina an-tanindrazana ny filohan’ny tetezamita teo aloha ka nanomboka nitety faritra nanatsara tena, saingy manenjika azy ny lasany ankehitriny ary tena sarotra ho azy sy ny mpiara-miasa aminy ny hamafa an’io.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT