Politique

Fanonganam-panjakana 2009 Tsy tokony hohamarinina intsony, hoy ny mpahay politika


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Mandalo eto an-tanindrazana amin’izao ny mpahay politika na « politologue », Samuel Benjamin, malagasy mipetraka any ampitan-dranomasina.

 

Amin’ny maha olom-pirenena azy dia naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny ny tenany, indrindra ny mikasika ny fifidianana. Maro ireo mpifaninana ary ny 3 amin’ireo 36 ireo, izany hoe, Ravalomanana, Rajoelina, Rajaonarimampianina dia azo lazaina ho efa samy manana ny mpifidy azy avy. Raha boriboriana dia ny 30%-n’ny Malagasy eo no mbola resy lahatra amin’ny hiverenan’ny iray amin’ireo eo amin’ny fitondrana. Ny 70% kosa dia efa leo ny politika nahazatra hatramin’izay ary te hiova ka aleon’izy ireo mifidy ny 1 amin’ireo 33 ambiny. Mety hanao ny tsy ampoizina, ohatra, ilay mpanakanto ao amin’ny tarika Mahaleo na i Dama. Ny manahirana dia kandida hita ho mamafy vola be faran’izay zokiny amin’izao fotoana, Andry Rajoelina ary sarotra ny hieritreritra fa hanaiky tsy ho tafita any amin’ny fihodinana faharoa izy. Izaho, hoy izy, mahita fa mitovitovy ireo mpankafy an-dRavalomanana sy i Dama. Eto Antananarivo sy Vakinankaratra aza tena ahiako hizara mihitsy ny vaton’izy mirahalahy farany ireto. Raha sanatria anefa, hoy izy, ka mandresy noho izay toe-javatra izay Rajoelina dia toy ny manamarina ny zava-nisy tamin’ny taona 2009, izay iaraha-mahalala fa fanonganam-panjakana. Tsaratsara ho an’ny kandida Zafimahaleo Rasolofondraosolo sy Marc Ravalomanana ny mifanaraka, hoy izy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT