Politique

Fanomanana ny fifidianana Tsy fantatra mazava ny mari-bola ilaina


  • Talata 14 Aprily 2015

Tsy ampy 20 miliara ariary ny vola enti-manomana ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ho avy izao, raha ny fanazavana nomen’ny sekretera mpanatanteraky ny Cenit.

 

Omaly no nihaona tamin’ny governemanta Malagasy tetsy  amin’ny hotely Carlton ny mpikambana avy  tao amin’ny GIS-M  na ny groupe Internationale de soutien - Madagascar. Tapaka tamin’ny fihaonana fa tsy maintsy mbola hitady io vola io hamenoana ny bang any governemanta malagasy, hoy ramatoa Atallah Béatrice, minisitry ny Raharaham-bahiny. Maromaro ihany ireo vondrona sy fikambanana  iraisam-pirenena efa nanambara fa hanome tanana toy ny SADC  sy ny  Pnud ary i Japon fa  ny tena miantoka ny famenoana ny banga dia ny fitondram-panjakana izay efa namaritra sora-bola hanaovana fifidianana ao amin’ny tetibolam-panjakana.  Mbola miandriandry izay mety ho fanampiana avy any ivelany izany ny fanjakana vao hanambara ny anjara biriky hoentiny. Ny somary manaitra kely, dia tsy mety fantatra mihitsy ny tena mety ho totalin’ny vola ilaina amin’ny fikarakarana ity fifidianana kaominaly ity. Izay anontaniana  eo anivon’ny Cenit dia milaza ho tsy  manana ny tarehimarika mazava momba izany mari-bola izany.


Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT