Tsy vao izao no nisy tsy fahatomombanana ny fanomanana ny fifidianana, hoy ny filohan’ny antoko politika Antokom-Bahoaka Malagasy (ABA), Dany Rakotoson. Ny nampiavaka azy fotsiny dia izy be loatra angamba tamin’ity.
“ Finiavana hanakorontana ve ? ”, hoy ny fanontaniany. Fohy ny fotoana ary tsy misy vahaolana ahafahana mamaha ny olan’ny Malagasy ankoatry ny fifidianana. Manana adidy ireo CENI hamaha io olana io na hiasa 24 ora amin’ny 24 ora aza, hoy hatrany ny tenany. Miaraha miasa amin’ny fikambanan’ireo kandida. Maninona raha foanana fotsiny ireo biraom-pifidianana ahiana tsy misy akory na tsy misy mihitsy (BV Fictif). Toy izany koa ny lisitra, jerena haingana ireo miverimberina (doubloon). Efa misy tompon’andraikitry ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana isaky ny distrika ary azo jerena haingana amin’ny solosaina izany, hoy ny hatrany ny tenany, ary raha tena hananantsika ny finiavana dia hivaha anatin’ny tapakandro izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.