Politique

Fanolorana lakile teny Iavoloha Fa inona marina no nitranga ?


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Niandrandra ny fanolorana ny lakilen`ny repoblikan`i Madagasikara ny rehetra taorian`ny fifanaovan-tsonia an`ireo antontan-taratasy misahana ny raharaham-panjakana eto Madagasikara.

 

 

 Rehefa tonga nanoloana ilay lakilé, dia tsy nanolotra izany ny filoha teo aloha, asa na tsy nisy lamina momba izay fa ny mpanao gazety dia efa tomefy tamin'ilay resaka hoe avereno aminy ny lakilé. Mialoha izay, taitra ireo olona teny amin`ny lapan`i Iavoloha fa tsy ilay natolotra ho an`ny filoha Rajaonarimampianina tamin'ny 2014 ho marika fa any aminy my fanalahidin'ny firenena no saika hifanolorana tao fa lakile vaovao izay noforonin'ny filoha vaovao satria lakile namboarina manokana mihitsy, izay miendrika IEM. Raha ny loharanom-baovao dia nisafidy ny tsy hanao fifamindrana lakile ny filoha Rajaonarimampianina ho fanajana ny lalàmpanorenana sy ny sata Repoblikanina na dia nisy aza ny mpiara-miasa akaiky tamin’i Andry Rajoelina niangavy azy ny mba hanolorany ny lakile amin’ny filoha vaovao. Niaraka naka sary nanoloana teo fotsiny ireo filoha roa tonta. Tsy misy andinin-dalàna mametra ny tsy maintsy hisian'ny fifanolorana lakile mandritra ny fifamindram-pahefana eo amin'ny roa tonta fa endrika hita maso sy fombafomba ihany izany.Fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro nanomboka omaly ny hoe : fa inona marina no tena tsiambaratelon’ity lakile ity e ? Nahoana no miezaka mafy mba hotolorana lakile, ary etsy ankilan’izay nofoanana ny fanompoam-pivavahana amin’ny fotoanan’ny fianianana, izay efa fomba fanao hatrizay. Fa rehefa tolorana lakile ve izany dia hahavita asa tsara, sao dia mba finoanoam-poana kosa e ?

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT