Politique

Fanokafana ny TIKO Nibaboka ny minisitra Jules Etienne


  • Zoma 07 Novambra 2014

Nibaboka tanteraka ny Minisitra Jules Etienne mikasika ny fanokafana indray ny orinasa Tiko eto Madagasikara fa misy ambadika politika tsy ahafahany manoatra no nampihitsoka ny dingana nataony.

Amin'ny maha Minisitry ny Indostrian'ny tenako, hoy izy dia nikasa ny hanokatra ireo orinasa Malagasy rehetra nikatona sy nanana olana aho, izay napetraka tamin'izany fa tsy hijerena tavan'olona sy politka izany. Mikasika ny Tiko manokana, hoy izy, dia efa nisy olona vonona hifanome tanana amin'ny fanokafana azy satria misy asa tsy mivantana 30.000 eo ho eo avy amin'io orinasa io ka rariny ny tokony hanokafana azy. Roa andro taorian'ny fitsidihana tany an-toerana tamin’ny 3 jolay 2014, hoy izy dia “nisy indray ny resaka fa miato aloha ny fandinihana ny fampihodinana ny TIKO”. Nahitsy ny Minisitra niteny fa : "Misy fofompofona politika ilay izy ka aleo aloha jerena tsara ny pitsopitsony amin'izany". “Hatreto dia miato ny fanokafana ny TIKO, araka ny tapaka tao amin'ny filan-kevitry ny Governemanta ary ao anatin'ny fotoana tsy voafetra izany”, raha ny nohamafisin'ny Minisitra Jules Etienne hatrany. Raha zohina dia tsy mbola ato ho ato ny fanokafana ny Orinasa TIKO ka azo antoka fa mbola ho tsy an'asa avokoa ireo mpiasa marobe mivantana sy ankolaka ao Vakinankaratra satria tsy mbola hita taratra ny asa vaovao miforona eto an-toerana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT