Rehefa nisokatra ny fampielezan-kevitra tamin’ny alatsinainy 8 oktobra teo, dia niaraha-nahita ny famondronan-kerin’ny kandida misia 22 tsy mankasitraka ny fomba fikarakarana ny fifidianana, ary anisan’ny takian’izy ireo ny fanokafana indray ny lisi-pifidianana.
Iaraha-mahafantatra fa efa tapitra tamin’ny 15 mey ny fanokafana ny lalàm-pifidianana ary ny lalàna dia tsy mamaritra hoe : misy fanokafana sy fanavaozana azo atao eo anelanelany, hoy ny mpahay lalàna Imbiky Herilaza raha nanontaniana ny heviny. Efa latsaky ny iray volana dia hiditra amin’ny latsa-bato, ka raha hatao ny fanokafana eo anelanelany dia tsy ho tratra, raha ny fahitany azy. Amina renivohi-paritany na tanàna lehibe ihany no hahafahana manao izany. Mety hitarika fanemorana fifidianana io raha atao, ary izay ihany koa mety tsy hisakana ny faharatsian’ny lisi-pifidianana satria mety hisy fanatovonana na fanampiana anarana tsy araka ny tokony ho izy satria mety hisy fanararaotana eny anelanelany eny. Ny lazaina foana ombieny ombieny, dia ny mpanao politika, ny rafitra samihafa voakasika, ny firaisamonim-pirenena … dia tsy tokony ho amin’ny androm-pifidianana ihany no mandray andraikitra fa amin’ny fotoana rehetra no manabe ny vahoaka, hoy izy. Fahadisoana goavana ihany izao zava-misy izao, ary mety hitarika korontana ny fanemorana ny fifidianana. Raha ny fahitako azy, dia hiroso ihany ny fifidianana fa tsy misy hevitra intsony io. Ny mpanara-maso, toy ny OIF rahateo tamin’ny fitiliana nataony, dia nilaza fa nisy ihany ny tsy ara-dalàna, fa azo tontosaina ny fifidianana amin’izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.