Hanao ezaka hahazoan’ny rehetra herinaratra
BTC amin’ny famolavolana tetikasa iray
hahafahan’ny vahoaka rehetra ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro manjifa herinaratra amin’ny vidiny mirary. Nisy ny fidinana ifotony ny faran’ny herinanadro teo tany Ambatomafana, nijerena ilay riandrano havadika ho herinaratra. Nitarika ny dia tamin’izany ny lehiben’ny Faritra Ranaivonirina Jean Yves. Dia an-tongotra adiny fito vao tonga tany amin’ilay toerana, kanefa tsy nampihemotra ny fiadidiana ny faritra amin’ny ezaka tiany hotanterahana izany. Izay hampandroso ny faritra no himasoana, hoy ny lehiben’ny faritra ka hifanome tanana ny rehetra hanatontosa ny tetikasa. Fantatra fa hahafahana mamokatra herinaratra hatrany amin’ny 5MGWatt ny riandrano any Ambatomafana, izay mahavita mamatsy ny faritra Alaotra iray manontolo, araka ny nambaran’ny tekinisianina avy amin’ny orinasa BTC. Hitondra fampandrosoana haingana ny faritra Alaotra Mangoro ny fahatontosana io tetikasa io.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.