Politique

Fanoherana ny Hala-bato Eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny fotoana


  • Alakamisy 27 Desambra 2018

Voaporofo izao fa tena nisy tokoa ny fanodinkodinana ny voka-pifidianana, halatra ary hosoka niniana natao tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa notanterahana ny 19 desambra lasa teo.

 

 Mazava sy azo tsapain-tanana ny porofo hita rehefa natao ny fampitahana ny taratasim-pifidianana nataon’ny ekipan’ny K25 sy ny teknisianin’ny CENI teny Alarobia. Tsy misy ny adihevitra hafa azo atao, hita porofo fa misy ny zavatra tsy mitombina sy tsy mety, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben’ny CENI teny Alarobia izy. Teo ihany koa ny famakiana bantsilana nataon’ny olona maro be ny halatra sy hosoka nandritra ny fivorian’ilay « comité de vigilance » teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina omaly. Mitombo isa koa ireo Malagasy mpiray tanindrazana mandefa ny porofo an-taratasy sy an-tsary eny amin’ny foiben’ny K25 eny Bel’air. Tsy honohono fa tena nanjakan’ny hala-bato ny fifidianana ary tsy azo ekena izany, ka noho izay indrindra dia hisy ny hetsika atao eny amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely ny sabotsy 29 desambra izao manomboka amin’ny 10 ora maraina. Natao indrindra izy io ho fanehoana ny firaisankina eo amin’ireo rehetra nahatsiaro fa noverezin-jo sy nohitsakitsahana ny safidiny. Nisy ny antso efa natao, saingy mikiribiby hamoaka voka-pifidianana tsy azo antoka sy tsy marina ary mikendry ny hampandresena ny kandida laharana faha-13 ihany ny CENI. Tsy azo atao intsony ny mipetra-potsiny, hoy ireo mpiara-dia amin’i Marc Ravalomanana ka hiroso amin’ny dingana manaraka ny hetsi-pitakiana ary tafiditra ao anatin’izany ity atao eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy ho avy izao ity.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT