Tsy mbola nisy fientanam-po sy fanohanana tahaka ity ao amin’ny K25 ity hatramin’izay. Resy lahatra ny olona rehefa tena nandinika tsara amin’ny saina tony sy mahita ny zava-misy sy ny fomba fanaon’ny mpanao politika sasany.
Manoratra tantara vaovao ho an’ny firenena isika ankehitriny ary manomboka mifoha amin’ny torimasony ny vahoaka Malagasy mandray an-tanana ny hoavin’i Madagasikara. Manomboka ny fampihavanam-pirenena miainga avy amin’i Marc Ravalomanana. Miara-mientana manohana sy mampandany azy ny sokanjin’olona, fikambanana, antoko politika, olon-tsotra,…ny mpanakanto izay maro be no hanafana ny faradoboka etsy Mahamasina anio. Manjakandriana, Ankadinondry Sakay, Mandoto, Fenoarivobe,… no notsidihany omaly, ka vahoaka tsy tambo isaina no nanome toky azy. Fotoan-dehibe ny anio 15 desambra satria vahoaka an’aliny tsy avy eto Antananarivo ihany no ho avy eny Mahamasina, fa mialoha io dia hihaona amin’ny Vahoakan’i Mahitsy, Faratsiho, ary Antsirabe izy. Na ireo tsy nitovy hevitra sy tena nifanao sakay sy maso taminy aza resy lahatra fa i Marc Ravalomanana no afaka hitondra ainga vao indray ho an’ny firenena, ka tsy atao mahagaga raha miara-mientana ny ankamaroan’ny Malagasy. Azo eritreretina ve hoe: olona nigadra an-taonany maromaro tamin’ny fanjakana Ravalomanana no mijoro manohana azy ? Anisan’ireny ry kolonely Coutiti, Henri Rakotomalala na Riribe,… Ry kolonely Eugène Claude Josoa voasambotry ny zana-dambo ary saika maty tamin’ny 2002, dia manohana azy sy miara-mamolavola ny paikady hoenti-mandresy. Omaly, dia niara-nirodorodo teny amin’ny Foiben-toerana ireo minisitra maromaro teo aloha sy manamboninahitra misotro ronono dia Atoa Bary Rafatrolaza (Sekreteram-panjakana teo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny tamin’ny andron-dRajaonarimampianina), José Raserijaona (Minisitry ny vola tamin’ny andron’i Pr Zafy), Ravelonarivo Laporte (minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany tamin’ny andron-dRavalomanana), Jeneraly Behajaina Petera (Minisitry ny fiarovana tamin’ny andron-dRavalomanana), Jeneraly Guy Ratrimoarivony, ny loholona Fernand Jeannot,… Mahatsapa ny rehetra, fa mila an-dRavalomanana sy ny fahaiza-manaony ny fanavotana an’i Madagasikara. Misy tamin’ireo nanongana azy tamin’ny 2009, dia mijoro vavolombelona fa tena fanonganam-panjakana no nisy ary tonga saina sy mahatsapa fa tsy mendrika ny natao tahaka ireny i Marc Ravalomanana, ka dia manolo-tanana sy hampandresy azy tahaka an-dry Kolonely Charles Andrianasoavina. Fientanam-po hafa mihitsy no misy eto amin’ny firenena satria manomboka ny fifamelana, ary hipetraka ny fampihavanam-pirenena tena izy tsy nety tanteraka teto hatrizay. Hifanakaiky ny mpitondra sy ny entina amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy, hiainga any amin’ny fokontany, kaominina, faritra,… ka ho mirazotra ny fampandrosoana ny firenena. Rivotry ny fandresena no mitsoaka amin’izao fotoana izao, ary tsy fandresena amin’ny fifidianana ihany io, fa tena fandresen’ny fampihavanana ara-politika, ara-tsosialy, ara-toekarena … ho an’i Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.